Herinandro eo sisa dia hifarana tanteraka ny fe-potoana handraisana ny antontan-taratasin’ireo kandida ho filoham-pirenena.
Hatramin’ny omaly, dia mbola nijanona ho 7 aloha ny isan’ny kandida, saingy azo antoka kosa fa hitombo ny isa ao anatin’io herinandro faramparany io. Tsy mitsoka akory ny kiririoka amin’ny fanaovana propagandy, dia efa raikitra sahady ny kilalao maloto sy ny tsy fanarahan-dalàna, saingy toa mitazam-potsiny ny rafi-panjakana tokony ho arofanina tsy hisian’ny fandikan-dalàna. Voalohany amin’izany ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Efa angady tsy mahatapak’ahitra intsony tokoa angamba taorian’ny didy navoaka ny andron’ny 25 mey lasa teo, izay niarovana ny filoha nolazaina sy nekena izao fa nandika lalàna, saingy tsy nisy sazy nifanandrify tamin’izany araka izay voalazan’ny lalàmpanorenana fa narovana soa aman-tsara. Atao mahagaga ve raha tsy misy mihaino sy tsy misy mpiraharaha intsony na be moraly sy mivoy izao tany tan-dalàna e ! Katsakae ! Voanjobory e ! Kanefa izy tokony ho fitaratra amin’ny fanajana lalàna aza no lasa mpanome leson-dratsy ? Toa hararaotin’ireo efa zatra gaboraraka sady efa tsy tan-dalàna hatramin’ny nahafantarany sy nanaovany ny atao hoe politika ireny, ka na iza miteny sy manakiana azy eo, dia ny ataony ihany no ataony. Rehefa tonga ny valim-pifidianana ka tsy lany dia mazava ho azy fa hikorontana satria efa nandany vola be sy nahavita seho ivelany hoe maro vahoaka mpanohana. Asa lahy raha mba hisy kisoa ho afaka mora foana amin’ny apombo izay sakafo efa nahazatra azy, ka toy izany ny hoe ny efa zatra nanongana, nandroba, nandoro, nandrava… tsy afaka ny hanorina izany, ary efa nanana dimy taona teo fa tsy hita izay nafitsoka e ! Ny hafa koa moa toa mihenahena sy tsy afa-manoatra saingy mba ho ady fiady ho azy ihany koa ny hoe izahay nanara-dalàna e !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.