Edito

Tany sy teny


  • Alarobia 10 Febroary 2021

Tany, teny, tantara. Ireo no singa miisa 3 tsy azo atao tsinontsinona, raha tiana ny

 

hametraka ny firenena iray eo amin’ny toerana mendrika ny maha firenena azy. Fijerin’ireo mpahay tantara izay. Teny, tany, tena kosa, hoy ireo mpahaiolona, satria efa tsy afa-misaraka amin’ny tany ny tantarany. Ny tena, izany hoe, ny olombelona, indrindra, aza ho azy ireo no tena tsy azo hadinoina satria io no tena harena, araka ilay lahabolam-paritra iray izay hoe “ Tany fotaka, aomby biby, vola taratasy, ny olona no harena.”. Tsy hidirana lalina ny amin’izay fa ny tena tiana hasongadina dia ny hoe fototra tsy azo ihodivirana ao anatin’izany rehetra izany ny tany sy ny teny. Mety ho ilay tanindrazana iombonan’ny Malagasy rehetra io dia I Madagasikara iray manontolo. Mety ho ilay tanin-drazana, teny 2 mifanohy amin’ny tsipi-panohizana, manambara ilay tany nihavian’ny razamben’ny tena tsirairay. Na ilay iray voalohany na ilay iray faharoa no lasan’ny “mpanani-bohitra” toy ny mpanjanatany tamin’ny fotoan’androny sy izay mpanjanatany amin’ny endriny vaovao jerentsika sy ireo mpitondra antsika fotsiny ankehitriny dia efa loza mitatao amin’ny taranantsika hatrany izany. Manan-jina toy izany ihany koa ny teny. Tsy voatery ilay fanoratra sy fanonona no tiana ambara amin’io fa ny fanajana na tsia ny teny nomena mihitsy. Firifiry tamin’ireo teny nomen’ny mpitondra antsika moa no notanterahany tao anatin’izay 12 taona izay? Teny momba ireo tany itoerana harena maro izay nosy manodidina efa nolazain’ny firenena mikambana fa antsika hatry ny ela aza hita ho toy ny nivadihan’ny filoham-pirenentsika tamin’ny ora farany ny momba azy ka asa atsy ho atsy izay ho vokatr’izany rehetra izany raha toa isika mbola hitaza-potsiny hatrany.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT