Tsy mety mifarana ny fandripahana ny harem-pirenena ataon’olom-bitsy eto Madagasikara ami’izao fotoana. Taorian’ny fanitrikitrihana ny mpitondra eo nivon’ny FAT nataon’ny Ankolafy telo ny faran’ny herinandro teo, dia samy miandry ny famoahana ny anaran’ireo mpandripaka ny “bois de rose” amin’iny avaratra atsinanan’ny nosy iny ny rehetra. Hentitra ny tenin’ny Ankolafy telo fa dia efa manana anaran’olona tafiditra amin’ity trafikana “bois de rose” ity ry zareo saingy matoky ny fahendren’ny manampahefana izay tompon’andraikitra voalohany amin’ny fanadihadiana ahitana ny marina sy ny famoahana ny anaran’ireo atidoha mikotrika ny fandripahana ny harem-pirenena, mba ho amin’ny tombontsoany manokana.
Efa iray volana latsaka izao no dify taorian’ny fahatrarana ireo “bois de rose” naondrana an-tsokosoko ka tratra tatsy amin’ny nosy Kaomôro, ka mahagaga ny maro ihany ny tsy hanambarana ireo tena tompon’andraikitra voalohany tamin’izany tahaka ny natao tamin’ireny raharaha fametrahana baomba ireny. Io resaka manjavozavo io no mahatonga ny olona hieritreritra fa manao izay hitohizan’ny tetezamita elaela mihitsy mba hahafahana mijanona eo amin’ny fitantanana ny firenena sy mitrandraka ny harena rehetra ao aminy ny FAT sy ny mpiara-dia aminy, izay efa maro no lasa mpanankarena tampoka tato anatin’ny herintaona monja. Ny vahoaka fotsiny no rebirebena amin’ny resaka fitiavan-tanindrazana sy hambopom-pirenena, fa ny afera maizina mandeha ihany, hoy indrindra ny raim-pianakaviana iray izay tena efa leon’ny fitiavan-tena sy fieboeboan’ireo mpitondra amin’izao fotoana. Manahy, araka izany, ny olom-pirenena sao ho lasa tany ngazana tsy misy ala sy harena ankibon’ny tany intsony ity Madagasikara ity vao hijanona amin’izay ireo fanetriben’ny firenena.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.