Edito

Tanteraka ara-bakiteny


  • Alakamisy 19 Novambra 2015

“Aleo farany rehefa tsy voalohany”, hoy ny fitenin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana.

Nampahatsiahiviny hatrany io fomba fijeriny io tamin’ireo lahateny samihafa nataony tamin’izy nitantana ny firenena sy ny vahoaka Malagasy. Toetra namolavolaina azy rahateo izany amin’ny maha mpandraharaha azy izay nezahiny nampitaina tamin’ireo mpiray tanindrazana hatramin’ny nidirany teo amin’ny sehatry ny politika tamin’ny taona 1999. Tsy nijanona tamin’ny fomba fiteny fotsiny anefa izany fa tsy maintsy narahina asa. Ohatra mivaingana ny nisantaran’i Madagasikara ny tetikasa «Millenium Challenge Account» na koa ny nahatafiditra an’i Madagasikara ihany ho anisan’ireo firenena voalohany nisitraka ny fandaharanasa «African Growth Opportunities Act». Ampahany amin’ny fahombiazantsika teo amin’ny fitantanana ny firenena ihany ireo. Indrisy fa ny mifanohitra tanteraka amin’izany kosa no iainan’ny fiarahamonina Malagasy ankehitriny. Miady ny rambony amin’ireo firenena tena mahantra manerantany mantsy i Dago amin’izao taonjato faha-21 izao. Voaporofo ao anatin’ilay fanadihadiana notontosain’ny Banky Iraisam-pirenena fanao isaky ny firenena tamin’ity taona 2015 ity moa ka tanteraka ara-bakiteny tokoa ilay hoe : «Aleo farany rehefa tsy voalohany».

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT