Edito

Tanterahana ny tondrozotra


  • Zoma 26 Desambra 2014

Niavaka ny fetin’ny noely tamin’ity taona ity raha oharina ny tamin’ny 5 taona teo aloha satria mba manomboka hita soritra amin’izay ny fivahan’ny krizy. Tsy misy adihevitra fa tsy maintsy mandalo amin’ny fametrahana ny fitoniana aloha ny fampihavanam-pirenena, efa nanome toky ny filoham-pirenena ankehitriny fa izy no hitarika ny fampihavanam-pirenena, dia niandry ny rehetra ary nahatsapa kosa fa nisy ny dingana goavana vita tato anatin’ny roa herinandro

Tsy midika anefa izany hoe mivaha ny krizy ary tena milamina tanteraka ny firenena, maro ny zavatra tsy maintsy dinihana tsara ary mba mampanontany tena ny maro ihany hoe inona marina moa no tena nampihazakazaka  tampoka teo an’i Hery Rajaonarimampianina hanao fampihavanana e ? Moa va tena ny fikatsahana ny filaminana sy ny fitoniana tokoa sa paikady hahazoana ny famatsiam-bola avy any ivelany fotsiny ? Hita mantsy fa tena nikatso ny fitondram-panjakana tao anatin’ny 11 volana, kabary no betsaka fa tsy nisy mihitsy ny asa vita satria tsy nisy ny vola. Hifarana afaka 5 andro ity ny taona 2014 fa tsy nisy akory na dia 1 euro aza ny fanampiana azo avy any ivelany, nampanantenain’ny vondrona eoropeanina farany teo. Nambara anefa fa hoe ho azo amin’ny tapaky ny volana desambra ny ampaham-bola voalohany. Tsy efa mazava ve izany ny resaka fa avotsotra avokoa ny gadra politika, avela mody sy miaina malalaka eto ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, aroso ny fampihavanam-pirenena izay vao miverina ny famatsiam-bola. Ka tsy mbola fanantanterahana ny tondrozotra ve izany e ?

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT