Edito

Tantara tsy hay kosehina !


  • Alatsinainy 15 Jolay 2019

Mipetraka tsy ho azo kosehina eo amin’i Tantaran’i Madagasikara ny momba ny Barean’i Madagasikara sy ny zava-bitany, ary ny tsio-drivotra nentiny teo amin’ny fiainam-pirenena. Sokajian’ny any ivelany ho firenena mahantra i Madagasikara, anjakan’ny kolikoly, mpitondra tia tena sy mpangoron-karena,…

 

 

fa amin’izao fotoana izao, dia somary takona ireny, ary toa nosasan’ny Barean’i Madagasikara ny lamba malotontsika. Tena hafa mihitsy ny fahatsapana ao anatin’ny Malagasy, fa hay izy tsy mitsanga-menatra, hay izy afaka mirehareha amin’ny ekipam-pireneny fa tsy ho mpitsiriritra ny an’ny hafa intsony, hay tena tsiriritin’izao tontolo izao ny fiaraha-mientany sy ny fanohanany ny ekipany na amin’ny mora na amin’ny sarotra,…. Somary somokatra tany hatramin’ny mpitondra, izay tsy atao mahagaga satria any rahateo no fon’ny vahoaka, ka mety misy kely ihany ny finiavana hamadika izany ho amin’ny tombotsoa politika. Na izany aza dia deraina sy amporisihina hitombo hatrany aza ny fanohanan’ny fanjakana ny ekipam-pirenena, izay adidiny rahateo. Nilaza ohatra ny Filoha, fa havaozina hatao mahazaka olona 50 000 hatramin'ny 60 000 ny kianjan'i Mahamasina. Hanafarana bozaka na "pelouse" toy ireny kianja manaram-penitra amin’ny CAN na ny « Mondial » ireny, ary ho anisan'ny kianja lehibe indrindra aty amin'ny ranomasim-be Indianina. Lojika raha mitsiry izany hevitra izany, kanefa ampahatsiahivina ihany koa efa maro izay fampanantenana izay, toy ny Tanàna Tanamasoandro, Tramway, Building, Toamasina ho tahaka an’i Miami, Ambatondrazaka ho toa an’i Paris, trano fonenana 50 000,… saingy na ady fototra aza aloha mbola tsy mandeha hatreto. Sao ho be famaritra fotsiny eo mantsy !

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT