Edito

Tantara tiana ho lava


  • Alarobia 06 Jolay 2022

Mafimafy tato ho ato ny fifanasana vangy politika teo amin’ireo antoko neverina ho nanjaka tokana tamin’ny fifanandrinana politika tato anatin’ny 13 taona.

Niverina heno indray ny hoe tsy maintsy haka fahefana isika. Toy izany koa ny hoe mbola tsy nisy TIM nandresy TGV. Mazava ho azy! Manomboka mipongatra indray ny firesahana ny verindroa tanatin’ny lisi-pifidianana na “doublon” sy ny resaka hala-bato. Tapa-taona manodidina eo tokoa sisa dia ho tonga ilay fotoana. Mbola takona hatrany aloha ireo herivelona hafa mba mitonona ho mpanohitra izao fitondrana izao koa na mitonona hoe hitondra fomba fanaovana politika vaovao. Tantara tiana ho lava no hita miseho ary efa matetika niverimberina ihany moa ny fanehoan-kevitra marolafy nilazana fa mpifamelona ara-politika ny mpitarika ireo antoko politika miisa 2 lehibe ireo. Ary matoa maneho fitsikerana mafy ny ankilany araka izay azony hatao ny andaniny dia ny mba tsy hipoiran’ireo herivelona hafa hatahorana ho matanjaka vaovao no tanjona. Toy izay ihany koa no tiana hahatongavana rehefa mitsikera mafy ny andaniny ny ankilany. Raha mijery ny tantaran’ny fifanandrinana politika any amin’ireo firenen-kafa anefa dia azo ambara amin’ny hoe tsy lojika ity zava-misy eto amintsika ity saingy izay tokoa angamba ilay hoe firenena miavaka amin’izay firenena misy eto ambonin’ny tany isika. Misy miezaka ny mivoy ny mety ho fisiana hery fahatelo matanjaka ihany saingy iaraha-mahita fa toa mbola tsy tena hitan’ny karatra aloha hatreto. Misy ihany koa moa ny famakafakana sasany milaza fa hahita ny tsy ampoizina na hoe “surprise” izao fitondrana izao amin’io fifidianana hoavy io ka dia ho hita eo tokoa. Na izany na tsy izany dia fanontaniana goavana mipetraka ankehitriny ny hoe ny TIM mandresy TGV na TGV mandresy TIM ve aloha izao no tokony ho vaindohan-draharaha sy votoatin-dresaka sa ny hamoahana faran’izay haingana ny vahoaka malagasy ao anatin’izao fahantrana lalina sy mangitsokitsoka sedrainy izao ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT