Edito

Tantara mitohy


  • Alakamisy 17 Febroary 2022

Samy miaro ny rambony tsy ho tapaka sisa ny ao anaty Fanjakana, fa ny ady efa miha mangotraka. Misy ny ady mangatsiaka goavana miotrika,

ao ny fifampiandrasana an-kendritohana, ny sasany mandrahona hamoaka dosie vao kitihina amin’ny seza ka manoatra no izy no Filohan’ny Filoha na “Amperoran’ny Amperora”, hoy ilay hira iray izay. “Tany misy olobe tsy miady zaza”, araka ny oha-pitenenana Malagasy. Fa moa aiza ilay olobe sa mbola mifanahin-jaza hatrany ka mieritreritra fa milamindamina ho azy ohatran’ny mahazatra io e? Tena mbola namana ve ny ankamaroany sa efa betsaka ny Jodasy ao? Manana fahasahiana hanavaka ny vary sy ny tsiparifary tokoa ve ny Filoham-pirenena ka tena sahy hanadio sy hanova ireo volo tsy manoa randrana manodidina azy? Raha izao fandehany izao, ho tratra farany eo ilay Filoha, izay izy no fantatry ny olona voalohany indrindra. Fomba fiasany ny tsy mandray fanapahan-kevitra ao anaty fisiana tsindry, saingy raha izao fandehan-draharaha izao tsy hitondra teboka miabo mihitsy fa vao mainka mandavaka tsikelikely ny lavaka hilevenan’ilay Fanjakana. Betsaka loatra ny zavatra efa tsy voafehy eto na ara-politika na ara-tsosialy na ara-toekarena. Tsy misy fitoniana na “apaisement” sy “stabilité” mipetraka intsony ho an’ilay Fanjakana, izay efa ratsy fototra hatrany am-piandohana.. Ny ao anaty Fanjakana no mifamely, ka manome bala ho an’ny mpifanandrina. Tsy hoe ny mpanohitra no mafy be, fa ny Fanjakana mihitsy no efa miha malemy. Raha ny resaka ampamoaka dia heverina fa tsy hijanona hatreo ny resaka famoahana dosie, mivoaka hatrany ny dosie hafa mifandraika tamin’iny afera iny nahavoa minisitra iray iny. Mbola hitombo iny fa tsy hijanona eo… Ny Fanjakana lany andro mandamina ny ao anatiny kanefa tsy mety mirindra intsony. Mampahatsiahy ny Fanjakana HVM tamin’ny fotoan’androny, izay nohozongozonina tanteraka, nanaovana izay fomba rehetra hampirodana azy, ary nahomby tamin’ny ampahany io tamin’ny 2018. Nolemena tanteraka, ary ny ekipa aza nisy lasa nandeha irery tamin’ny fifidianana. 8% no niafarany na dia niabo avo lavitra heny noho ity fanjakana volomboasary ity aza ny vokatra. Ity efa sady tsy mamokatra no mikorontan-dava ka asa re hoe: firy isan-jato ny ho setriny? Sa mbola hahomby hatrany ny tako-maso amin’ny t-shirt sy ny volakely sy ny kitolotolotra miampy artista ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT