Mihodinkodina amina lafin-javatra roa ny raharaham-pirenena, dia ny resaka olana tamin’ny fifidianana sy ny areti-mandripaka coronavirus.
Nifantoka fatratra tamin’ity farany ny resaky ny filoha ny faran’ny herinandro teo, ary nisafidy ny tsy hiresaka ny lafiny politika. Tamin’ny ankampobeny, dia namaly ny fangatahan’ny besinimaro, indrindra fa ny mpisehatra amin’ny tambajotran-tserasera izay nahazo vavabe tamin’ny minisitra iray sy tompon’andraikitra ara-tserasera ambony iray. Toa nifandipatra tanteraka ny fanazavan’ny Filoha sy ny azy ireo, izay nisolo tena ny fanjakana. Asa nampijabahana ve izy ireo sa ny fifandraisana sy fandrindrana asa ao anaty fanjakana mihitsy no mikorontana? Tsy vao izao ny tranga toy izao fa efa matetitetika. Na izany aza, isan’ny fanapahan-kevitra nahazoan’ny filoha ankehitriny doka iny. Na izany aza mbola maro ny ahiahy. Tena manana fahafaha-manao fitiliana izany ve isika? Tena ampy ve ny serasera sy ny fampahafantarana ny vahoaka? Etsy ankilany, adinodino ny resaka karapanondro sy lisi-pifidianana miverin-droa, hany ka mihetsika sy miezaka mamoha an’io ny mpanohitra. Manao serasera mafy dia mafy, ary tena manenjana. Inona no hiafarany ? Hatraiza no ho fetran’ny fitakiana ? Any amin’ireo lafin-javatra ireo hatrany no hifantohan’ny sain’ny mpitondra sy ny mpanohitra. Fa mba ahoana ity resaka fidangan’ny vidim-piainana ity? Hatrany amin’ny sompitr’i Madagasikara aza efa manomboka midangana ny vidim-bary. Ny any atsinanana sy avaratry ny Nosy ihany koa io tra-doza noho ny andro ratsy indray. Ahoana indray ny fiatrehana an’ireny? Ho voavaha sy ho voafehy ve ireo olana mianjady? Toa tsy misy asa fampandrosoana vanona eto, fa toa mifantoka amin’ny vahaolana petatoko hatrany. Ny olana politika mbola vary mangatsiaka tsy miala ny fandravonana azy. Tantara mitohy!
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.