Edito

Tantara mitohy


  • Talata 04 Janoary 2011


Hitodika eny amin’ny Lapan’ny Fitsarana Anosy indray ry Jean ny mason’ny mpanara-vaovao amin’ity anio ity. Raha tsy misy mantsy ny fiovana amin’ny ora farany dia anio no hifarana ny famotorana ifotony mikasika ny raharaha malaza teny Ivato tamin’ny volana novambra 2010 iny. Raha ny nanarahana azy tokoa ry Jean dia efa vita famotorana ifotony avokoa ireo manamboninahitra voakasika tamin’izy iny. Ilay lietna-kolonely malaza no namarana azy ny zoma 31 desambra teo. Ny sofina moa ankilahila ry Jean, ka renay fa saika tsy nanaiky ny ho fotorana mihitsy ity manamboninahitra ity raha tsy mifanehitra amin’ny jeneraly, lehibeny eny Andohalo.

Tontosa ihany anefa izany ny zoma teo ary anio kosa no hatao io fampifanatrehana io. Ary efa im-betsaka hono ry Jean ity jeneraly ity no nantsoina saingy milaza ho sahiran-dava a, nefa raha ny hafa izao izany azo an-tsaina fa tsy nisy tany hamindroany fa dia tratry ny hazalambo avy hatrany. Anio araka izany no fotoana ka ahalalana tranga maro mikasika ity teny Ivato ity. Renay mantsy ry Jean, fa voasaringotra tamin’iny hetsika teny ivato iny ingahy jeneraly ary toa nisy fanekena an-tsoratra nataony mikasika izany mihitsy saingy nosongonan’ny FIS izay avy hatrany dia nanapoaka basy sy nitifitra rehefa tonga teny. Mbola tantara mitohy araka izany ity resaka ity.

 Marco
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT