Tantara miodina

Hatreto dia tantara miodina fa tsy mba


  • Zoma 25 Aogositra 2023

tantara mitohy moa izany aloha no niainana sy mbola iainan’ity Madagasikara ity.

Tsy dia misy mahasamihafa azy loatra fa dia mitovitovy foana ny sary. Manao ny ataony ny fitondrana saingy tsy miteraka fampandrosoana ara-toekarena sy sosialy mandra-pahatapitry ny fe-potoam-piasany. Etsy ankilany miha mahery vaika hatrany ny fanoherana izay fitondrana mijoro eo, indrindra, rehefa akatoky ny fifidianana toy izao. Vao mainka aza miha mafy izany rehefa hoe handray fihaonana iraisampirenena. Tsaroana ny lalaon’ny nosy 2007 ary tsaroana koa ny efa fiomanana handray ny fihaonana an-tampon’ny vondrona afrikanina ny taona 2009, izay niofo ho fanonganam-panjakana nampivarina izao firenena izao mandrak’anio moa. Tsaroana ny hetsiky ny depiote 73 izay namaraparana ny fitondrana Rajaonarimampianina ny taona 2018. Maro indray amin’izao fotoana izao ireo mpanaraka akaiky ny raharaham-pirenena eto amintsika no manahy ny amin’ny sanatria hiverenan’ny sary toy izany. Dia ho sasa-miarina eto foana izany ity firenena ity. Tsy mba hanohy ny tantarany mihitsy fa hampiodina ny tantara hiaina ny efa hita tany aloha tany foana. Ny loza aza dia ny hoe hametraka sanatrian’izany tantara tsy hisy ho lovain’ny taranaka ao afara intsony fa dezaka, hoy ny mpanakanto sady mpandinika fiarahamonina, Dama izay. Tantara miodina no sady tantara ratsy fa tsy mety ho tantara tsara mitohy. Tsy efa niaraha-nahita fa tsy nitondra soa teto amin’ity firenena ity ve anefa izany? Tsy efa niaraha-nahita fa aina sy ra malagasy maro ve no latsaka vokatr’izany hatramin’ny taona 1947? Rahoviana ihany izany isika ity vao hiverina ho resy lahatra amin’ny fihavanana malagasy na firaisankina sy fifamelomana nanajana sy nampandroso ny fanjakan’ny Ombalahibemaso fahizay?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT