Samy maha valalanina ankehitriny ny zava-misy eto amin’ny firenena sy eo amin’izao tontolo izao.
Ny eto an-tanana moa izany dia efa sary miverimberina sy zava-misy miodinkodina hatrany no mitranga. Mbola tsy mivaha ny olana momba ny kere ankehitriny. Efa ela no nisian’izany vahaolana hoe fametrahana fantson-drano maro na “pipeline” izany saingy mbola tsy mety tomombana eto hatramin’izao raha toa ny israelianina no efa nahavita namadika ho lonaka tany hay noho ny fametrahana izany ny taona 70. Ny eto mbola mipetraka foana ny adihevitra mahamenatra toy ny hoe misy mitrobaka amin’ny antsy na zava-maranitra ilay izy dia tsy tonga any amin’ny tokony hahatody azy sy ny sisa. Tsy vao izao fa efa nisy sary hafa mampitaha olom-boafidy mihinam-be amin’ny kere toa an’io miparitaka ankehitriny io koa indray taona tao amin’ny tambazotran-tserasera tao. Ny resaka 4x4, ny fiara raitran’ireo manam-pahefana, ny fanaovana laharam-pahamehana ny rendrarendra sy ny sehoseho mialohan’ny zavatra miantraika miivantana any amin’ny aty vilanim-bahoaka. Efa nitsikerana sy nananarana ny mpanapa-kevitra teto daholo izany saingy tsy noraisin’izy ireny sy izy ireo ho toy ny vahaolana fa fialonana. Fotsy rora ireo mba niezaka niteny satria nanahy ny hoavin’ny fireneny. Isika moa, hoy izy ireo, tsy maintsy manaraka ny rivo-baovao entin’ny fanatontoloana sy ny zava-misy maneran-tany. Hita ho tsy foy aloha io ny hala-tahaka amin’ny lalampanorenana frantsay. Ady hevitra efa tao amin’ny parlemanta tao koa ny fanahiana ny fanekena ny fisoratam-panambadian’ny mitovy fananahana izay mifanipaka tanteraka amin’ny soatoavim-pirenena. Niresaka ny momba an’io ny Papa Ray Masina ny alarobia lasa teo, ary tena miteraka adihevitra be ilay izy . Ao ireo tezitra mafy sy tankina tanteraka, misy koa ny nilaza fa zon’izy ireo ny misoram-panambadianasy manorina fianakaviana.Tsy manaiky ny fanamasinana mariazy ho an’ireo mitovy fananahana any am-piangonana kosa anefa ny Papa François. Mivoatra gaigy ny fiarahamonina, hoy ilay fiteny fahiny izay, rehefa mahita ny fanariana miandalana ireo soatoavina saingy tsy hita intsony moa izay ho lazaina fa dia tankina sy fotsy rora ireo mbola misy feon’ny fieritreretana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.