Edito

Tanisan’ny FAT


  • Alakamisy 10 Jona 2010


Jean-Marc Châtaignier (Frantsa), Ercumünd Ahmet Enc (Torkia), Eugène Martin Nugent (Vatican) ary omaly dia ny jeneraly Muhammad Siddique (Pakistan) no nifandimby nanolotra ny taratasy manendry azy ireo ho ambasadaoron’ny fireneny avy hiasa eto Madagasikara. Ny an’iry voalohany dia nihazakazahany natao ny 11 novambra 2009 vantany vao vita sonian’ireo filohan’ny ankolafy efatra : Pr Zafy, Didier Ratsiraka, Marc Ravalomanana ary Andry Rajoelina tao amin’ny foiben-toeran’ny Vondrona Afrikanina ao Addis Abeba (Etiopia) ny fifanarahana tovana. Tsy nahagaga ny mpanara-baovao iny, satria voalaza ombieny ombieny fa tao ambadiky ny fanonganam-panjakana teto ny taona 2009 ny Frantsay. Tany Frantsa no anisan’ny nikotrehana azy, raha tarafina tamin’ny filazan’ny amiraly. Ny amin’i Torkia indray dia mbola baraingo mandraka anio ny tohin’ilay sambo tiorka rendrika nandoto ny ranomasina malagasy tany Faux Cap ny volana aogositra 2009. Nisy ny fampanantenana fa hisy onitra ho azon’i Madagasikara momba azy iny, saingy tsy re be tsy re kely intsony. Itoeran’ny ahiahin’ny Malagasy ary ity fankatoavan’ny mpitondra tondroin’izao tontolo izao fa mpanongam-panjakana atao an’i Torkia ity.

Ny amin’ny Vatican indray dia mey tsy hatao mahagaga ihany koa. Mety ho efa tara aza no nanaovana azy. Tsy azo kosehina ny zava-nitranga tao amin’ny Episcopat ny 17 martsa 2009, teo imason’ny diplaomaty sy masoivohon’ny firenena vahiny maro sy ny iraky ny Firenena Mikambana. Ny nanaitra fotsiny dia arakaraka ny nanaovan’ireo Eveka fanambarana farany teo fa «tsy manohana fitondrana» izy ireo no tonga nanolotra ny taratasy manendry azy eto ny Mgr Eugène Martin Nugent. Tsy hifanalavitra amin’izany raha manara-dia i Pakistan. Tsy anavahana fa dia «Karana» no fiantson’ny Malagasy ny olony eto. Zovy no tsy hahatadidy fa dia misaringotra amin’ny fanonganam-panjakana ary rangory fototr’izao krizy izao koa ny «Karana». Moa tsy manao tanisa izany ny FAT ankehitriny fa dia miseho vatana tsimoramora ireo tao ambadik’izao zava-mitranga rehetra eto amin’ny firenena izao ? Iza no mahita sao misy idiran’ny resaka finoana !

 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT