Edito

Tanindrazana


  • Talata 18 Mey 2010


Nanambara i Marc Ravalomanana fa hiverina eto Madagasikara izy amin’ny volana ambony. Ny volana jona no lojikan’izany. Nohamafisiny fa tsy misy afa-tsy ny fifampiresahana, ny fiaraha-mitantana ary ny fampihavanam-pirenena no vahaolana amin’izao krizy izao. Nandroso ny volana oktobra izy hanatanterahana ny fifidianana filohan’ny Repoblika, ary mazava ho azy moa fa ho kandida amin’izany ny tenany. Momba ny fiampangana sy ny raharaham-pitsarana mahakasika azy kosa dia nomarihany fa ny Haute Cour de Justice irery ihany no Fahefana mahefa afaka mitsara azy, ka noho izany dia tahaka ny foana sy tsy misy ny didy rehetra niampangana azy navoaka hatreto. Ny tompon’andraikitra misahana ny filaminana eto amintsika anefa dia efa hatramin’ny herintaona no nilaza, ary mbola manamafy hatramin’izao fa tsy mbola mety amin’ity filoha teo aloha ity aloha amin’izao fotoana ny miverina an-tanindrazana. Tao mihitsy no efa sahy nandrangaranga fa hosamborina avy hatrany i Marc Ravalomanana vantany vao migadona eny Ivato, na any amin’izay toeran-kafa mety hahatongavany. Tsy manaiky lembenana anefa fa dia mijoro amin’ny fahasahiany tanteraka ity filoha teo aloha ity, ary izao nanamafy izao, fa hody an-tanindrazana izy.

Raha ny tombantomban’ireo rehetra nahare ity vaovao ity, dia mialoha ny 26 jona no mety hahatongavanay eto, satria efa hatry ny ela no nandeha ny resaka fa hiaraka hankalaza ny fetim-pirenena amin’ny vahoaka Malagasy aty an-tanindrazana izy. Efa nikasa ny hiverina an-tanindrazana moa izy ny volana desambra tamin’ny herintaona, saingy tsy tanteraka izany. Raha ny fahafantarana azy aloha dia efa nivonona ny amin’izay mety ho fiverenany an-tanindrazana i Marc Ravalomanana fa tsy hoe hidina ny fiaramanidina tsy akory dia tonga dia hosamborina avy hatrany. Maro no mieritreritra fa tsy ho avy irery eto fa hotronin’ny solontenan’ny sehatra iraisam-pirenena ity filoha teo aloha ity. Mety ho fambara sahady izany rehetra izany fa hiravona tsy ho ela ny disadisa politika ary hanaiky ny fifanarahana rehetra hamahana ny krizy ny filohan’ireo ankolafy efatra, mandritra ny fihaonana atsy Pretoria ato ho ato.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT