Edito

Tandremo tsy ho marionety


  • Sabotsy 05 Aogositra 2017

Mbola tsy afaka an-tsain’ny maro ny lozam-pifamoivoizana niseho tany Ankazobe tamin’ny fiandohan’ny herinandro, hany ka lasa tsy dia mahasarika ny saina loatra ireo dindona fifandirana lava amin’ny samy foko izay niseho tato ho ato izay.

Vao tsy ela akory izay no nampihavanina tamin’ny alalan’ny fomban-drazana any an-toerana mihitsy ny foko Sakalava sy ny foko Tandroy, noho ny tsy fifanarahana nisy tamin-drizareo mifanolo-bodirindrina ao antsimo ao. Ny olana misy eo amin-drizareo zanaky ny faritanin’ny Toliara koa ity dia miharihary amin’ireo haino aman-jery isan-karazany. Ao ny manohitra an’izatsy, ao ny momban’ny aroa ary na ireo milaza azy ho mpanelanelana aza dia mbola hita ho sahirana hatreto aloha. Hatramina hetsika ara-kolontsaina, toy izay hitranga ao Antsohihy ato ho ato aza ity heno koa fa misy mpanao politika sy mpanankato samy zanak’iny faritra iny mitady hifamotika amin’ny fanatontosana azy. Iza no ao ambadik’izany rehetra izany? Sao dia mila mitandrina ihany mba tsy ho ataon’ireo matanjaka ho marionety ka hifamono am-pitoerana ara-bakiteny eto, sanatria?

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT