Tandremo ny famitaham-bahoaka !

Fitakiana fiovana sy


  • Alarobia 22 Oktobra 2025

fanovana niainga tamin'ny famahana

ny olana ara-tsosialy no nitolomana teto. Niitatra tany amin'ny fandrodanana ny mpitondra tsy mijery ny tombotsoam-bahoaka, be afera sy tsy maty,... Tsy mijanona amin'ny resaka jiro sy rano fotsiny fa pitik'afo nampirehitra ny hetaheta ny marary ny Malagasy, indrindra ny tanora. Nandray andraikitra sy nanome toky ny hanapaka tanteraka ireo tsy nety teo aloha ny Filoha vaovao. Nanome fitokisana feno azy ny vahoaka Malagasy. Sarotra ny toerana sy ny tsindry mahazo ilay Filoha, mirohotra mitady toerana hatramin'ny mpiray petsapetsa tamin'ny mpitondra izay narodana. Efa nomena fitokisana sy fahefana hitondra ny tany sy ny Fanjakana izy, ka andao tokoa hitokisana ny mpiara-miasa nofidiny sy ny mbola hifidiany. Tsy misy rahateo ny tena hoe dia tsy azo kianina 100%. Na malalaka sy safidiny aza ny mijery izay mety, ary ekena fa mahalala ny tokony hataony izy, dia apetraka ihany ny arofanina, mila fangaraharana fa tsy sanatria mbola ny kajikajy sy tombotsoa politika no hibaiko sy hiteraka tsindry. Hafahafa rahateo ilay politika miorina amin'ny tombotsoa fa tsy ny hetahetam-bahoaka eto. Ny lazaina fa mainty omaly mety ho fotsy rahampitso, ny lazaina fa fotsy anio mety hivadika mainty rahampitso noho ny fitadiavana tombotsoa. Rehefa hanova ihany dia mila hovaina avokoa ny pitsopitsony rehetra mba hisorohana ny sarisarin-teny hoe: miala jiolahy dia miditra dahalo? Firenena no resaka, niandrandra fanovana ny vahoaka, tsy hisy zavatra azo tsapain-tanana anatin'ny andro vitsy, kanefa aoka mba tsy sanatrian'ny vava matimaty sy naratra fahatany ny vahoaka nitolona, kanefa mbola ilay fitiavan-tena amin'ny alalan'ny fizarana seza no mainka fa ny Malagasy hijanona hitrongy vao homana!
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT