Edito

Tandremo !


  • Alakamisy 07 Oktobra 2010


Araka ny fandinihan’ny manampahaizana dia misy zavatra goavana miotrika any ambadimbadika any rehefa somary mangingina sy tsy dia misy ventiny tahaka izao ny tontolo politika, indrindra fa ho an’ny firenena mandalo krizy tahaka an’i Madagasikara. Matoa tsy andrenesam-peo sy tsy mamoaka hevi-baovao mivaingana firy ireo etamazaoro politika dia mbola miketrika paikady, na efa manatanteraka mangina ny teti-panorona napetraka aza izy ireo. Nahazatra tokoa hatramin’izay ny fidinana an-dalambe, ny fanenjehana sy fisamborana ary ny baomba mandatsa-dranomaso, saingy efa elaela ihany tsy nahitana izany. Fa inona ary no antony ? Tsotra ny valiny : nahatsapa ny tao amin’ny mpanohitra ny FAT fa tsy ahitam-bokany firy ny fidinana an-dalambe ary tsy mampihontsona ny FAT.

Raha ny tena marina koa dia tsy ampy fahasahiana loatra amin’io resaka grevy eny an-dalambe io ny Ankolafy Telo. Hany ka nitady tetika hafa ireo mpitarika, mety tafiditra ao anatin’izany ireo karazana fihaonana miafina misy eo amin’ny FAT sy ny mpitarika sasantsasany avy ao amin’ny Ankolafy Telo. Eo ihany koa ireo hoe lohandohan’ny mpisorona nisintaka fa hitady lalan-kafa. Ao ihany koa ireo nanaiky ny hifampidinika amin’ny tetezamita ary nanasonia mihitsy ilay fifanarahana politika teny Ivato. Fantatra fa mbola mandeha ny fanjonoan’ny FAT ny mpitarika sasany ao anatin’ny Ankolafy Telo amin’izao fotoana. Fitaovam-piadiana aranty amin’izany ny volabe amina miliara sy ny toerana ao anatin’ny tetezamita. Misy koa ireo nijanona teny an-kianja foana ary tsy mitsahatra ny manentana sy manome toky ny mpitolona fa ho avy i Deba sy i Dada. Niteraka adihevitra be mihitsy ity resaka farany ity, satria maro no mieritreritra fa mila fitandremana be mihitsy io drafitra io, satria politika no atao ary tsy ilaozan’ny fanipazana hoditr’akondro sy fingana izany. Maro no mahita taorian’ny fanambarana nataon’ny Amiraly Ratsiraka momba ny fiverenany an-tanindrazana fa mety tafiditra ao anatin’ny tetika fanilihana an’i Marc Ravalomanana io.

Araka ny adihevitra etsy sy eroa mantsy dia toa hoe efa tsy atokisan’ny Frantsay intsony i Andry Rajoelina noho ny tsy fahamatorany koa nitodi-doha any amin’i Didier Ratsiraka indray ry zareo. Ity farany rahateo tsy afa-miala satria nialokaloka fito taona tany Frantsa, ary nahazo fanohanana matanjaka tamin’ny fanjakana Frantsay. Efa fantatra mazava ihany koa fa mbola tsy levon’ny vavonin’ny amiraly ny nandrodanan-dRavalomanana azy, saingy tsy maintsy natao ilay “alliance contre-nature” ka nipoiran’ny Ankolafy Telo satria izay no notakian’ny sehatra iraisam-pirenena. Fehiny dia ao anatin’ny sangodim-panina politika goavana tsy takatry ny sain’ny olom-pirenena tsotra isika amin’izao fotoana, ka tsy fantatra intsony hoe iza no avy aiza, ary iza no manao inona ? Tena namadika palitao ve Raharinaivo sa mitsapa ny halalin’ny rano fotsiny ?

Tsy misy marina ve ny vola sa fanahy iniana atao tara ny fandoavana ny karama mba hampisy ny fitokonana etsy sy eroa ? Inona no tena anjara toeran’i Camille Vital ? Mahazo toromarika avy any ivelany ve iz ? Mbola voabaikon’ny filohan’ny FAT ve izy ? Nahoana no mbola nankany New York ihany Ramaroson Hippolyte ? Inona marina ny tena anton-diany tany ? Fantatr’i Andry Rajoelina daholo ve ireo olona niresaka taminy tany nandritra ny herinandro ? Nahoana no miaraka mamoaka fanambarana foana Ratsiaraka sy Ravalomanana, ary mazàna no mifanojo amin’ny fahatongavan’ny SADC eto izany ? Maro be ny fanontaniana manitikitika tsy ahitam-baliny mazava. Mila malina sy mitandrina anefa ny rehetra satria sarotra ny tontolo politika ary sarotra ny maminavina izay hitranga rahampitso. Tandremo ihany sao marary fo e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT