Edito

Tandrametaka hatramin’ny farany


  • Talata 31 Janoary 2023

Tena hain’ny mpitondra ankehitriny mihitsy ity mivoaka miditra tahaka ny lelon-jaza ity. Hafa no lazaina anio, ary hafa no tenenina rahampitso, ny marina anio mety ho lasa diso rahampitso.

Betsaka ny endri-javatra niseho naneho izany na tamin’ny fiteny na ny fomba fiasa. Tsy mila famatsiam-bola mahazatra fa mampahatra firenena ary rehefa izaho no tonga dia isika indray aza no hampindrana an’I Kaomoro, avy eo indray hoe: nihaona tan’izatsy sy zaroa aho ary mahatoky antsika ny mpamatsy vola. Mila maharitra kely ny vahoaka Malagasy fa afaka enim-bolana hatramin’ny valo volana dia ho foana ny delestazy, avy eo indray hoe: tsy niteny an’izany 6 volana izany aho fa amin’ny 2027-2028 io foana. Noho ny fiakaran’ny vidin-tsolika dia hanafatra fiara bus manara-penitra ho tonga alohan’ny faran’ny taona 2022 isika, avy eo lazaina indray hoe: tsy izahay no nampanantena an’izany. Nireharehana ny fanafarana vary sy PPN 20 sambo nolazaina fa fampandrosoana ary tsy afaka hiandry vary 2 taona vao miakatra, ary ambony pilopitran’ny fihaonana an-tampony momba fambolena lazaina fa efa tena lasa lavitra ny politikan’I Madagasikara momba ny fanohanana ny tantsaha amin’ny alalan’ny fanomezana tany, masomboly, zezika,… Lazaina fa tompondakan’ny fanjarian-tsakafo aty Afrika kanefa ny kere aza mitombo, ary ny depiote maro an’isa mpomba ny fitondrana izao no niapanga ny fahefana mpanatanteraka ny amin’izany. Vao ny volana oktobra 2022 lasa teo indray no notanisaina avokoa izao rehetra izao hoe: amboarina ny làlana atsy sy aroa, hatao ny fotodrafitrasa goavana izao sy izao,… kanefa aty amin’ny janoary milaza fa ajanona indray ny fotodrafitrasa, fa hiditra amin’ny sosialim-bahoaka hidina ifotony,… Lazaina fa tsy misy krizy eto, kanefa ny fampandeferana zavatra hafa mba hahafahana miatrika ny olana hafa dia efa endriky ny krizy. Hatramin’izao mbola tandrametaka foana! Fa hoentina aiza marina ity firenena ity e? Mbola sahy hiteny sy hihambo ihany ve fa mahazaka firenena? Tsy mba efa ampy ve izay famotehana izay e?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT