Edito

Tandindon’ny ho avy !


  • Alakamisy 16 Martsa 2017

Toran-kovitra ny fitondrana ankehitriny vao mahita ny fitsapan-kevitra maro samihafa miompana amin’ny fifidianana ho avy. Mitana ny rambony hatrany mantsy ny filoha am-perinasa manoloana ireo mety ho kandida hafa.


Tsy mbola manomboka ny fifidianana dia mihoron-koditra sahady, kanefa mihevitra ny mbola handrombaka mora foana ny fahefana fanindroany. Efa tandindon’ny ho avy izany saingy hany herin’ny fitondrana ankehitriny dia ny miezaka ny mamono afo amin’ny endriny maro samihafa mba hanakonana ireny fanehoan-kevitra sy fanehoana safidy ireny. Hampiasaina daholo rehefa fomba fampitam-baovao handokafana ny mpitondra fa tsy mahita mangirana ara-bakiteny. Homen’ny Malagasy lamosina fa tsy mba mahazo sitraka saingy mbola minia be saina ihany e ! Fanapenam-bava sy kapa ranjo amin’izay mpifanandrina atahorana sisa no mba hany vahaolana, satria na mampiasa fahefam-panjakana aza ny mpitondra ankehitriny mba hahafahana mandrobaka indray ny fahefana, dia hita fa ho sarotra izany mbola hanery vahoaka handatsaka ny vatomanga izany indray. Dia tena adin’ny kanosa noho ny fahatahorana ho resy sisa no misy eto, ka ny vahoaka avy no tadiavina tsy homena safidy amin’izay olona tena tiany hitondra azy. Didin’ny be sandry sy ny tompom-pahefana no tsy maintsy arahina. Misy fetra anefa ny zava-drehetra, hoy ny fitenenana. Maro rahateo ireo nilaza azy ho mafy saingy niaraha-nahita ny zava-nisy, ka izay tsy mahay maka lesona ihany no hitondra ny taolam-be tsy mitapaka atsy ho atsy e ! 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT