Sarotra ny miala amin’ny mahazatra, hoy ilay fomba fiteny izay. Na ho tonontononona sy takitakiana isan’andro aza ity atao hoe fiovana dia toa samy manana ny petra-keviny avy mikasika izay antsoina hoe fiovana izay ny rehetra.
Maro amin’ireo mpanao politika no miventy ny amin’ny tokony hanombohana fanorenana ifotony fa rehefa zohiana dia toa izy ireo amin’ny maha tsangan’olona mpanao politika malagasy azy tsirairay avy koa dia isan’ny mila manarina ny foto-pisainany avy. Tsy maintsy mila tetezana tokoa ve rehefa hanarina fototra? Na dia ny mandre izany aza ve tsy hafahafa be? Toa resaka ka atao fotsiny ity lamaody iray ity fa raha ny fahavononana hiditra aminy aloha dia mbola hita fa toy ny mahazatra hatramin’izay dia ny hahazoana seza foana no vaindohan-draharahan’ny mpanao politika vao hitondra anjara biriky hahafahana manarina ny fireneny tokoa. Toa kajikajy handroritana datim-pifidianana fotsiny izy ity, indrindra, ho an’ireo matahotra ny hifaninana amin’izany. Etsy ankilany moa izany dia efa samy manao izay ho afany kosa ireo sahy manda ho “mpangalatra fiaingana” rehetra na dia efa hita miharihary izao aza fa izany no ataon’ny sasany amin’izy ireo. Ny sasany mahavita tsy manatrika lanonam-panjakana mihitsy fa mamoron-dia manao fihetsiketsehana tany avaratra andrefana tany hanaitairana ny mason’ireo mpifidy atsy ho atsy. Ny sasany mamingana an-kolaka ireo kandida atahorana ho matanjaka amin’ny alalan’ny kapa vava ranjo madinidinika. Izay tokoa angaha ilay hoe tanana zatra mitsotra ka sarotra avokona kanefa dia tsy azo ianarana mihitsy ve ny dingana vitan’ireo firenena nilahatra tamintsika fahiny izay nisongona antsika ankehitriny na dia nandalovana sedra avo 10 heny tamin’ny nahazo antsika aza? Aiza ho aiza isika izao mitaha amin’ny Sinoa sy nyJjaponey na koa ny Roandey? Ny Etiopianina kere fahiny aza efa manana Metro.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.