Vita sy nizotra araka ny niheveran’ny mpitondra azy ny fifidianana lohona nisiana fifandirana hatrany am-boalohany.
Toa niverina ilay fomba fanao zary efa lalan-kitan-kisoa araka ny fomba fiteny ny fizaram-bola. Efa raharaha tokantranon’ny samy mpitondra tamin’ny ankapobeny, saingy ny tànana efa zatra mitsotra tokoa angamba tsy azo havokona intsony. Efa tsy misy mpamerin-doha sy arofanina intsony, fa manao izay tian-katao tsy misy henatra intsony eto amin’io fomba fanao ara-politika io. Asa aloha na hitondra soa ho an’ny firenena, na mety ho kihon-dàlana ara-politika ratsy iny. Ny kajy politika iny no vita fa ny hafa mbola eo. Toa tsy misy hikofohana ny fitondram-panjakana raha tsy misy ny sehatra iraisam-pirenena. Iny niaraha-nahita iny fa mila 60 tapitrisa dolara I Madagasikara, izay mbola hifampitadiavana tsy tahaka ireo tetikasa tsy dia maika sy toa mbola azo sokajiana ho rendrarendra. Hafa izany ny olam-bahoaka, ary hafa ny mahamaika ny Fanjakana. Etsy ankilany, ahiana ho sarotra ny zavatra mbola miandry antsika atsy ho atsy. Ny loza voajanahary ateraky ny fotoam-pahavaratra mety hamely mafy, ny fahasahiranana sosialy goavana atahorana,… Ny fiomanana anefa tsy hita taratra firy, ary mety ho vahaolana vonjy tavanandro na “tip top” hatrany no atao. Ny kajikajy ara-politika no betsaka, ny fanenjehana mpanohitra no apetraka ho isan’ny laharam-pahamehana sy handaniana fotoana. Hatreto anefa, ratsy ny naoty amin’ny lafiny rehetra, toy ny lafiny toekarena. Izao no ratsy indrindra tao anatin’ny 60 taona. I Kaomoro nolazaina fa hampindramintsika vola roa taona lasa aza izao, manan-karena lavitra noho isika ny vahoakany. Tsy vitan’ny bala rora sy ronono an-tavy ny fitondrana firenena, saingy toa tànana efa zatra mitsotra ihany koa io.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.