Ny fifidianana solombavambahoaka no tena hifantohan’ny saina ato ho ato. Somary ho takona ny toe-draharaha politika samihafa, fa hiompana bebe kokoa amin’io ny mason’ny rehetra.
Na ny fanjakana foibe aza, dia mazava ho azy fa mety handany ron-doha amin’io hikatsahana ny maro an’isa hahafahana manana fitoniana ara-politika bebe kokoa. Lojika be raha nivoaka hatramin’ny resaka tany aloha, fa ny filoha am-perinasa Andry Rajoelina mihitsy no niditra an-tsehatra nifantina ireo mpilalao hiaro ny voninahitry ny antokony na ny anarany. Tsy misy henatra sy fahatahorana intsony io, na misy aza ny fandikana an-kitsirano ny lalàm-panorenana satria toa efa mahazatra azy sy ny mpiara-dia aminy io, niainga tany amin’ny fanonganam-panjakana 2009, tsy nahandrasana ny andro zoma, ka namotehana firenena. Resabe ny fivoizana ny fanjakana tan-dalàna, fa ny fampitondrana ny anarany ny vovonana politika ialokalofan’ireo kandida dia mifanohitra tanteraka amin’ny lalàmpanorenana. Tsy tokony hanafangaro ny asany amin’ny resaka fironana sy antoko politika intsony ny filoham-pirenena mba hitandroana ny tsy fitanilana sy ny fiombonam-pirenena, saingy efa izy tenany izany io no manava-tena ho filohan’ny vovonana misy azy, fa tsy filoham-pirenena velively, raha io no halalinina. Tànana efa zatra mitsotra io fihetsika io, ary isan’ny fomba fanao ara-politika tena manavanana ny filoha ankehitriny sy ny ekipany. Fatra-panenjika sy mpanaratsy ny hafa, kanefa tsy mba mijoro ho fitaratra, fa rehefa izy mianankavy no manao ny ataony, dia mety sy rariny ary mendri-piderana. Rehefa ny hafa kosa no mametraka ny politika sy ny fomba fiasa heveriny fa mety, kanefa mety hisy hirika hahafa-manakiana azy, dia “vorondolo” ireny fa ny an-dRajoelina sy ny ekipany kosa voromanga. Andeha hiverenana hanazavana bebe kokoa an’io ny politikam-panjakana momba ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra iraisam-pirenena, izay notsinontsinoavin-dRajoelina. Rehefa i Marc Ravalomanana no nilaza fa tsy afa-miala amin’ny mpamatsy vola mahazatra, dia “ny an’i Zokibe Raiamandreny ny hitrosa amin’ny mpamatsy vola ihany, fa rehefa izaho no eo, dia isika indray aza no hampindrana an’i Kaomoro”. Asa na mba tsaroany sy mitamberina an-tsainy izany, rehefa iny mandresy lahatra ny tompon’andraikitry ny banky iraisam-pirenena sy ny Banky Afrikanina momba ny fampandrosoana iny na ahoana? Asa ihany koa raha mbola mino izay ambarany ihany Ramalagasy na ahoana, fa ny tsapa aloha dia maanomboka maro ireo maneho fahadisoam-panantenana!
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.