Edito

Tànana efa zatra mitsotra !


  • Alatsinainy 11 Febroary 2019

Sambany nivoaka an’i Madagasikara miatrika fivoriana Iraisam-pirenena ny filoha Malagasy ny faran’ny herinandro teo, ary tafahaona tamin’ireo filoha Afrikanina.

 

 Tsaroana ny tany amin’ny 9 taona lasa fony izy sy ny ekipany tratry ny hoe: “sans qualité” na tsy misy kalitao, rehefa niatrika fivoriana goavana iraisam-pirenena taorian’ny fanonganam-panjakana. Nandresy i Andry Rajoelina eo anatrehan’ny sehatra iraisam-pirenena satria efa eken’izao tontolo izao fa voafidy tamin’ny fomba ara-demokratika. Ny fomba nahatongavany teo amin’ny fitondrana izao no hafa sy amin’ilay sokajiana ho azo ekena, fa ny tsangan’olona dia ilay teo ihany. Hiova ve ny fomba fitantanana ny firenena sa ny teo ihany no ho eo ? Nandresy ilay filoha sy ny ekipany fa ny vahoaka Malagasy ahoana ? Ny takaitran’ny famotehana ara-politika, toekarena, sosialy, soatoavina,… teto aloha dia tsy mbola voaarina mandrak’androany ary tena resy tanteraka hatramin’izao ny valalabemandry. Ny fahantrana efa mandifotr’olona mbola laroin’ny loza mahatsiravina, ny loza voajanahary, ny valan’aretina, ny tsy fandriampahalemana,… zary manamarika ny fiainana andavanandro. Mitaintain-dava tahaka ny soabakaka ambodiriana ny vahoaka eo anatrehan’ny zava-misy. Miandry vahaolana maharitra, saingy ny vahaolana heverina ho vonjy tavanandro sy tsy mahavaha ny olan’ny rehetra aza toa tsy hita izay tohiny, toy ilay vary mora tsy hay na efa tonga na mbola any anaty sambo,… Raha ny fampanantenana sy ny kisehoseho ivelany, betsaka tokoa fa ny fanatanterahana azy mbola miandry. Ny famaritan’ny fanjakana ny laharampahamehana amin’ny asa atao rahateo aza, toa mampiahiahy ihany. Ny tsy hanao na tsy hahavita na inona na inona aloha, dia mety ho diso be fanakianana isika. Ny ho fiantraikan’ny zavatra atao sy ny fomba fitantanana ny firenena kosa mahakely fanantenana raha tarafina amin’ny efa nafitsoka teto tany aloha, izay kisehoseho no betsaka fa raha ny vahaolan’ny fahantrana dia lavitry ny kitay ny afo. Izy ireo no nitombo ny ambaindain’ny hareny, fa Ramalagasy niha nifotetaka hatrany ny fiainany, raha ny efa nisy teto. Hahay hivokona ve ny tanana efa zatra mitsotra ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT