mandeha amin'ny kisendrasendra
izany amin'ny politika, fa misy antony sy dikany ary tanjona. Tsy zavatra tsy mihetsika sy marin-toerana ihany koa eto amintsika ny politika fa mety hiovaova arakaraka ny tsio-drivotra misy, araka ny filazan'ny mpandinika, izay ilay hoe tsy "statique" fa "dynamique", raha amin'ny teny vahiny. Tsy mahagaga araka izany raha mipoitra ny tsy ampoizina toy ny fiovaovana palitao, ka ny volomboasary omaly ihany no mety hiofo ho fanavaozana androany. Tsy dia misy maharatsy an'izany raha tena ho an'ny tombotsoam-pirenena satria tsy hisy soa azo amin'ny fifandirana sy fifanenjanana politika lava eto tokoa. Tena izay ve anefa no mitranga? Tena lalana mizotra amin'ny fampihavanam-pirenena na fampihavanana politika ho an'ny tombotsoam-bahoaka ve ilay hizorana? Ny mampanahy mantsy dia ny hoe: sao mba ny politikan'ny sakaizan'ny mpandresy hatrajy ka mitohy ny fanaovana tanalahy politika nifandovana teto tao anatin'ny Repoblika maromaro, mba tsy hilazana fa mety hatramin'ny faha-panjaka. Moa tsy ny zavatra tahaka izao ve no miteraka fahakivian'ny olom-pirenena amin'ny mpanao politika ka mahatonga ny sasany tsy mampihena amin'ny fandraisana anjara amin'ny raharaham-pirenena toy ny fifidianana ? Politika tokoa angamba io, tsy azo raisina amin'ny fo fa entina amin'ny saina, ka ny tsirairay no irariana mba hahay haka lesona amin'izay fa tsy hanaiky ho mpandrotsa-bato isaky ny efatra na dimy taona fa tena ho tompon'andraikitra. Mafampana indray ny adihevitra, mandeha ny kajikajy samihafa fa ny irariana dia ny hoe kajy makany amin'ny mahasoa fa tsy ny politika mamohehitra nifandovana no mbola hatao tondrozotra amin'izao efa vanim-potoan'ny fanokafana ny mason-tsaina sy masom-panahy mba tsy ho voafitaky ny fivadibadihana loko sy ny sarin'ady politika lava mbola misy te hanohy ankehitriny. Tsy resaka fankahalana olona na vondron'olona fa mba tena mahamenatra ilay politika indraindray ka asakasaky ny any an-tampony ihany io na ekena aza ny hoe ilaina ny fisokafana,...
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.