Tampina ny daomy!

Rehefa mahatsiaro ilay hiakan’ny filoham-pirenena ankehitriny,


  • Alatsinainy 03 Martsa 2025

indray taona izay, hoe «Rehefa tsy azontsika izao ireo nosy manodidina ireo dia tsy ho azontsika intsony!»

dia toy ny maheno ihany koa miaraka amin’izay hoe «Rehefa tsy voavaha izao ny olana mianjady amin’ny firenena dia tsy ho voavaha intsony!». Miha mafy io ny fiakaran’ny rano vokatry ny rivodoza nandalo. Sahirana mafy ny ankamaroan’ny malagasy. Maro no traboina sy tsy manan-kialofana ary zary manampy isa ireo tsy manan-kohanina toy ireo mpatory an-dalana rehetra eny. 6 taona mahery no niandrasana vahaolana maharitra avy amin’izao fitondràna mikasika ireo olana maro lafy eto amin’ity firenena ity. Hatreto, mitotongana ny toe-draharaha ara-toekarena, mazava ho azy, tsy mety tafarina. Miha adino hatramin’ny anaran’ny ankamaroan’ireo orinasam-panjakàna nantenaina ho andrim-panarenana izany toekarena malagasy izany hatramin’izay, raha tsy hitanisa afa-tsy ny Air Madagascar, ny Solima, ny Telma. Na ny famokarana tokony hitana ny fahaleovantena ara-tsakafo hatrany amin’ny andron’ny repoblika voalohany, dia ny fambolem-bary aza, io iaraha-mahita io fa atakalo vary mila afarana avy any Chine ireo karazam-bary miisa 3600 mahery hananan’ny FOFIFA. Tsy vary intsony fotsiny no mila afaran’ilay firenena nalaza nandritry ny fotoana ela ho sompitry ny vary fa ampirisihina no sady lasa afarana koa hatramin’ny masomboly sy zezik’izany. Ny tsy fandriampahalemana moa dia tsy maintsy hahazoam-baovao isan’andro no sady mampivarahontsana, indrindra, any amin’ireo tontolo ambanivohitra. Ny sosialim-bahoaka, ao anatin’izany rehetra izany, tsy mety misy tokontaniny fa dia mandra-pahoviana izany io vahoaka malagasy io no ampiononina hatrany amin’ny resaka tsinjo sy fameno sy ny namany rehetra? Rahoviana ihany ilay fitondràm-panjakàna nampanantena hamita tao anatin’ny 5 taona ny tsy vitan’ny hafa tao anatin’ny 60 taona no hahavita hanome an’io vahoaka malagasy io asa mendrika sy mahavelona, araka izay hamintinan’ireo sendikan’ny mpiasa azy? Hatreto aloha izany dia hita ho tampina ny daomy ho an’ny fitondràna ankehitriny raha resaka vahaolana maharitra manoloana izao olana mianjady amin’ny firenena izao no mbola ho velabelarina eto. Tampina ny daomy!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT