Tampina ny daomy amin’ny resaka mangarahara sy fampanjakana ny tany tan-dalàna eto Madagasikara.
Isika Malagasy ankehitriny no tompondaka raha ny resaka laza ratsy no mari-drefy handrefesana. Tompondakan’ny kolikoly, tompondakan’ny fampanjakana ny tany tsy tan-dalàna, tompondakan’ny fanitsakitsahana ny lalàmpanorenana, tompondakan’ny fahantrana ary mbola hivoatra hatrany mankany amin’ny faharatsiana tsy roa aman-tany raha mbola ny fanjakana Rajaonarimampianina no hitondra ny tany sy ny fanjakana. Ny mpanao kolikoly tokony higadra eto amintsika tsy hita izay hanaovana azy fa ny fanjakana no mpiaro sy mpanao mikimaky mba tsy hizakany ny tokony ho saziny. Ny olona mijoro handala ny marina amin’ny fitantanana ny volam-panjakana hanaovana tsindry sy hatao leo monina, mba hahafahan’ny fanjakan-jiolahy manao izay danin’ny kibony. Mamoritra sy manao didy jadona mba tsy hahafahan’ny hafa heverina ho mpifanandrina politika matanjaka hahita mangirana sisa hany adidin’ny mpitondra eto amintsika. Rafitra sy paikady hoenti-mitantana ny firenena ny hoe hampanjakao ny kolikoly sy ny tsimatimanota ary ampiriato ireo mihevitra ny hanafaka an-dRamalagasy ao anaty ziogan’ny fahantrana. Tampina ny daomy ary feno ny kapoaka ankehitriny. Anjaran’ny vahoaka no misaintsaina ny tokony hataony amin’ny fametrahana olon-kendry sy mahavita manarina ny firenena fa tsy fanjakan-jiolahy tsy misaina afa tsy ny hangoron-karena sy hanjaka eto mandrakizay.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.