Edito

Tamana amin’ny tsy fanjariana


  • Alakamisy 26 Novambra 2020

Efa mahazatra isan-taona moa ny antony omen’ny orinasa Jirama mahatonga ny

 

tsy fahatomombanan’ny famatsian-drano sy jiro eto Madagasikara. Efa hila ho lany tsianjerin’ny mpanjifa ilay hoe Tsy fahampian'ny herinaratra vokarin'Andekaleka noho ny faharitran'ny rano sy ny hoe tsy fahatomombanan'ny vondrom-pihary herinaratra sasantsasany ao Ambohimanambola. An-taonany maro no efa niandrasana vahaolana maharitra mikasika ity aim-bahoaka iray ity ary efa maro rahateo izay vahaolana nifandimbiasan’ireo mpisehatra naroso izay saingy mampametra-panontaniana hoe tsy nisy nahavanona ve sa tsy nisy nandramana nampiharina akory? tranga iray isan’ny taratry ny fomba fitantanana misy eto amin’ity Madagasikara ity iny fa iarahan’ny maro mahalala koa anefa ireo tranga hafa toy izay mbola mampitoetra maharitra ny kere any atsimo mandrak’ankehitriny na dia efa firenena maro aza no naneho maodely amin’ny azo hampanjariana ny fametrahana “Pipeline” na fitsinjaran-drano amin’ny tany hay sy ny fambolena renirano voatr’olombelona mihitsy. Efa tany amin’ny taona 1970, 1980, 1990 tany ho any izany no vitan’ny olona saingy mahagaga hoe tsy mety vanona eto hatramin’izao. Mampatsiahy ny tenin’ilay mpanao politika iray izay hoe tara 2000 taona isika. Rano no olana any amin’ilay toerana dia kianja manara-penitra sy toeram-pilomanosana no tetikasa apetraka. Tsy fandatsana ve izany? Tsy efa ela ve moa no nahenoan’ireo mpitondra hoe haran-jono fa tsy trondro omena raha tiana handroso ny vahoaka saingy hiara-mahita anefa ny mbola fanazarana ny maro amin’ny kitolotolotra tsy mahavita taona. Isika mianakavy moa manoloana izany dia indrisy fa tamana amin’ilay tsy fanjariana hatrany.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT