Tsy ny rafi-pitantanana eto Madagasikara ihany no potika fa ny rafitra politikan’ny ankamaroan’ny firenena « zanatany » frantsay mihitsy.
Tsy miafina koa fa nitovitovy daholo ny paikady namotehana azy matoa saika mitovy ny fihetsika politikan’ireo mpitondra manana an’i Frantsa ho renimalala. Mitovitovy ihany koa ny savorovoro mitranga ao amin’ireo firenena ireo, indrindra aty afrika. Tsy misy izay tsy mahadinika anefa ireo mpitondra fa tarazon’ny fanjanahantany « colonisation » frantsay ny zava-misy eto afrika sy iainan’i Madagasikara ankehitriny. Inona ary anefa no antony tsy hanovan’izy ireo fihetsika na ilay antsoina hoe « comportement politique » raha toa ka efa fantatra toy izany ny fototry ny olana ? Ny mahagaga, efa kely sisa izao dia ho feno 60 taona ny nahazoantsika fahaleovantena kanefa dia hahatairana ny mahita fa mielinelina any anaty antenimieram-pirenena ny masoivoho frantsay ao anatin’ny fotoana sarobidy tokony ho nanapahana ny hoavin’i Madagasikara ka lasa nampihemotra ny fivoriana handaniana ny lalàm-pifidianana. Sarotra ny hino manoloana ny hita maso fa vonona ny hiala tanteraka amin’ny fanandevozan’ny « mpanjanatany » isika. Toa tamana aza.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.