Edito

Tamana amina fomba mandamoka


  • Talata 10 Aogositra 2021

30 taona lasa sahady koa izay no nisian’ny tolona namaivay nahatonga tondran-dra nananika iny lapam-panjakana eny Iavoloha iny mba hanesorana ny filoham-pirenena tamin’izany fotoana izany teo amin’ny toerany.

Talohan’io moa dia nisy ny raharaha 1947 sy ny 1972. Taorian’izay kosa dia mbola nisy ny 2002, ny 2009, 2018. Azo fintinina amina fomba amam-panao politika miisa roa izay azo lazaina fa nandamoka hatrany hatreto ny tranga tao anatin’ireny fotoana ireny dia ny fidinana an-dalambe sy famonoana afo. Izay tsy faly rehetra na dia tsy ao anatin’ilay ampidirin’ny manao fijery bontolo hoe mpanohitra aza dia milanja sora-baventy midina an-dalambe rehefa misy tsy fahafaliany. Fara-fahakeliny eo an-tokontanim-piasany. Etsy an-kilany kosa, ny tomponandraiki-panjakana voakasika mivanta kay mahay mamaly ny hetahetan’izy ireo ihany rehefa terena mafy saingy ny fanontaniana mipetraka hatrany dia ny hoe fa maninona no miandry izay fanerena izay vao mamaly ilay fitakiana? Ny sasany aza moa ny ampahan’izany ihany aza aloha no valiany. 74 taona izany isika izao no lasa tamana amina fomba mandamoaka sy efa azo antoka fa tsy hitondra fampandrosoana eto amin’ity firenena ity na hoviana toy izany. Ny mahagaga anefa hatramin’izao dia mbola tsy nisy mpitondra nifandimby nahita ny fanafodin’izy io sy ny vahaolana maharitra aminy ihany. Raha nilaza ny mpanohitra izao fitondrana izao teo aloha teo fa faharoa amin’ny firenena mahantra indrindra teto ambonin’ny tany isika satria Soudan atsimo sisa no ambany harin-karena na PIB noho isika dia toy ny maha tretrika ny mpanohana ny fitondrana sasany ery ankehitriny ny milaza fa efa faha 5 amin’izany isika fa tsy faharoa intsony. Ny filaharana eo amin’ny sehatra iraisampirenena ve no zava-dehibe sa ilay harin-karem-pirenena mitombo? Sao dia mba ny harin-karen’ireo firenena lasa aoriantsika no nihena lavitra fa ny antsika tsy nihetsika na nihena ihany fa kely ary raha tahiany ka nitombo koa dia zara fa nisy? Tsy ny namana no hifaninana fa ny tsara efa vita, hoy ilay teny filamatra iray malaza eto amintsika izay.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT