Mariky ny fiandrianam-pirenena ny fananana kolontsaina manokana. Anaran-tsy maty sisa izy io raha dinihina amin’ny zava-misy.
Ny tsy fisian’ny politika mazava hoenti-mampahafantatra sy mampiroborobo ny kolontsaina Malagasy no antony. Miezaka manaparitaka sy mampanjaka ny kolontsainy eto amintsika ny vahiny, manaraka ny fihazakazaky ny teknôlôjia kanefa isika toa minia manadino ny antsika ka takona tanteraka ny maha Malagasy. Hita etsy eroa ireo ivontoerana ara-kolontsaina an’ny firenena vahiny sy ny sampandraharaha maro manome lanja ilay kolontsaina toy ny Amerikanina izay efa nametraka ny American Center. Ho an’ny Frantsay dia efa mieli-patrana amina tanàn-dehibe maro ny Alliance Française. Na misy aza ny ivontoerana manome vahana ny kolontsaina Malagasy toy ny Tahala Rarihasina sy ny Ivokolo dia maro no tsy mahalala. Ilaina ny fametrahana politika hoenti-mampiroborobo ny vakoka sy ny kolontsaina mba tsy hogejain’ny fanjanahantsaina eto. Ilaina ny an’ny vahiny saingy mila tandrovina sy omena vahana ny an’ny tena.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.