Milaza azy fa hanao izay ho afany daholo izay rehetra nambara hatreto fa hilatsaka hofidiana ho filoham-pirenena amin’ny volana novambra.
Hita ho taitaitra daholo izay rehetra tonga avy any ary sahy mampanantena lanitra sy tsy rototra milaza fa ho tontosany izay hampanantenainy. Samy be nofinofy. Azo lazaina ho zava-dehibe aloha ny fahatsikaretana fa mba maro amin’izy ireny no manantena halainy saingy ilay mbola fitaizana vahoaka amina teoria be manadala no mahasorena ny mpanara-baovao sy hita ho famahanan-dalitra sy famitaham-bahoaka vakiana fotsiny matetika. Aiza no hisy resaka fitantanana firenena tsy idirana politika izany ? Dia sahin’ireo kandida sasany mihitsy ny mivoy fa olom-baovao, hono, izy ireo ary hitondra zava-baovao satria leo politika ny vahoaka. Tsy hanao politika ve izany izy raha hiakatra eo ? Ekena fa nilaza ny sasany tamin’izy ireny fa tekinisianina fa tsy mpanao politika saingy ilay filazana fa tsy mila mpanao politika kosa dia hita ho famitaham-bahoaka tsotra izao raha tsy hoe dia tsy mahalala ny dikan’izany atao hoe Politika izany akory angamba ilay kandida. Izay anefa no tena vao mainka ho loza satria dia ho azo antoka izany fa ho eo an-tanana tsy mahay mitantana firenena indray ny firenentsika raha sanatria ny 1 amin’izy ireny no ho lany eo. Tsiahivina fa fitantanana firenena no hany famaritana ankapobeny ny atao hoe « politika ». Mahita ireo kandida vaovao mipoitra saika isan-kerinandro anefa dia mahakivy fa toa te hivoy hevitra mifanipaka amin’izany daholo izay rehetra mipoitra avy any. Zary lasa ataon’ireo manam-bola hirotsahan-kofidiana kilalaon-jaza ilay fiainam-pirenena ka mila mailo ny rehetra mba tsy hofitahana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.