Edito

Tairina vao mihetsika ?


  • Talata 23 Febroary 2016

Mahagaga fa toa ny fitsarana any amina firenen-kafa indray no saro-piaro amin’ny harena mivoaka an-tsokosoko eto Madagasikara.


 Ilay boaderozy any Singapour no tiana horesahana eto. Hentitra ny olona mikitika indray ny raharaha satria misy ny fanampim-baovao azony. Ny eto Madagasikara anefa na efa ananana porofo sy antontan-taratasy am-polony kilao aza dia mbola mahazo fahafahana vonjimaika ihany ilay « deba » amin’ny trafikana hazo sarobidy. Rehefa kianin’ny olona anefa dia tezitra ny mpitondra fanjakana Malagasy avy eo, ka mandroso ny hoe : manana ny fiandrianany ny firenena e ! Mahaleotena ny fitsarana ka aleo hanao ny asany e ! Tena mibaribary anefa fa ilay fahasahiana mihitsy no tsy misy na ny manampahefana sasany no voasaringotra anaty afera maizina, hany ka tsy mety lasa lavitra ny fanadihadiana. Nandrafitra ny lisitr’ireo olona ahiana ho tompon’antoka amin’ny fandripahana sy fanondranana ny hazo sarobidy eto Madagasikara ny governemanta Omer Beriziky fony tetezamita ary efa nanolotra io lisitra io ny filoha Rajaonarimampianina tamin’ny taona 2014. Inona no tsy nisamborana na nanadihadiana ireo olona ireo ? Rehefa mihetsika ny hafa vao may volon-tratra sy mikorapaka foana ny mpitondra malagasy ka manadio tena sy be filaza fa atao izatsy sy izaroa. Mba matotra nama a !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT