Edito

Tahotry ny ho very fihinana…


  • Alakamisy 07 Aprily 2022

Nihazakazaka nanao fanambarana sesilany ireo mpanao politika ao anatin’ny vondrona manohana ny Filoha ankehitriny na ny « Mouvance Présidentielle »,

ka naneho fa manohana hatrany ny Filoha sy miantso ny mbola hirotsahany indray. Tsy misy tena ventin-kevitra mazava sy zaraina momba ny faharesen-dahatra amin’ny hoavin’ny firenena raha Rajoelina no mbola ho eo, tsy manao afatsy mitady antoka momba ny tombotsoany manokana satria betsaka no matahotra ho very fihinanana. Na ratsy sy tsy mahomby aza ilay Fanjakana Rajoelina, tsy maintsy tohanana satria tsy azo maimaimpoana io toeerana, seza, tombotsoa, voninahitra,… io. Tsy misy tena mahasolo azy ao amin’ny antoko, tsy misy tena azo hamidy ara-politika handresen-dahatra amin’ny fifidianana, ka dia amporisihana ihany aloha ny efa tsy dia mamokatra. Tena izay ve no mety amin’ny firenena anefa ? Minia mikipy eo anatrehan’ny zava-misy, hany ka na ny namany ao anaty vilan’ny volomboasary aza sokajiany mivantana na ankolaka ho fahavalo, tahaka ny Depiote Brunelle Razafitsiandraofa izay sahy naneho ny zavatra tsy mety. Mety havoaky ny valan’ny TGV/MAPAR/IRD. «…Adinony fa nivoaka tamin’ny Antoko TGV-MAPAR, adinony fa nahazo tsodrano tamin’ny antoko. Nilaza ny zavatra marary ny distrikany izy, mila fampahafantarana mialoha, efa voafehin’ny fitsipiky ny antoko izy. Rehefa olon’ny antoko manao fisehoana sy fanambarana amin’ny haino aman-jery dia tokony ho fantatry ny antoko. Ara-drariny raha milaza ny antoko fa misy fitsipika tsy voafehy. Hivory ny birao politika momba ny fanapahan-kevitra», hoy ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena. Mila miera amin’ny antoko izany rehefa hilaza ny marary ny vahoaka ? Fa solombavambahoaka izy ity sa solombavan’antoko e? Na tiana na tsy tiana, mety mahatezitra, saingy aleo lazaina mahitsy, fa tafahoatra loatra ny fisolelahana ara-politika mamotika firenena eto. Ny tombotsoa politika kely sy ny seza na koa ny vola no hanaovana sorona tanindrazana, ka na efa hita izao aza fa tsy manjary sy mampahory vahoaka dia tsy maintsy dokafana sy hindrahindraina ! Sady mampalahelo no mahamenatra…

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT