Tsy takona afenina toy ny tafika andrefan-tanàna ny fisian’ny ady mangatsiaka eo amin’ny mpitantana ny tanànan’Antananarivo sy ny avy amin’ny fitondrana FAT.
Ao anatina lanonam-panjakana mihitsy izany no tsikaritra, indrindra rehefa ny eo anivon’ny ministeran’ny fanajariana ny tany no misolo tena ny fitondrana FAT ka hisian’ny fifampijabahana andraikitra matetika eo amin’ny roa tonta. Hatramin’ny fiandohan’ity herinandro ity, taorian’ny zava-niseho teny amin’ny lanonana niseho teny Andralanitra teny ka nanavakavahan’io ministera io ny solontenan’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra dia ambetin-dresaky ny haino aman-jery mpitondra tenin’ity Kaominina ity izay karazana antsojay miseho lany izay.
Amin’ny mpanara-baovao politika dia tsy mahagaga loatra ny fisehoan-javatra satria tsy miafina amin’ny rehetra ny politika ampiharin’ireo olona tanan-kavanan’ny ministry ny fanajariana ny tany izay avy amin’ny antoko akaiky indrindra ny filohan’ny FAT, anisan’ny namarotra taminy ny onjam-peo hivazavazany ankehitriny ary nanolotsaina azy hatrany tamin’ireo fanapahan-kevitra rehetra noraisiny na taiza na taiza. Efa fomba fanaon’ity antoko ity hatrizay koa ny mamingampingana ny olona heveriny fa manana herijika hirotsaka amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena. Anisan’ireo olona manana herijika amin’izany ny Pds-n’ny tanànan’Antananarivo, Edgard Razafindravahy ka tsy mahagaga ny fihetsika miharo antsojay mihatra aminy.
Tahaka izany koa i Roland Ratsiraka izay efa nanambara mazava fa mbola hifaninana amin’ny fitantanana ny firenena dia ireny efa nambara teto ireny fa voasakantsakana raha hiteny amin’ny haino aman-jerim-panjakana. Manginy fotsiny ny fanidiana ny radion’ny antoko Maitso an-dRtoa Sarah Georget Rabeharisoa izay anisan’ireo vehivavy mety hisahana voalohany izany toerana filoham-pirenena malagasy izany, izy rahateo efa nanambara fa ho kandida. Ny an’ny Filoha Marc Ravalomanana moa dia ireny efa hiaraha-mahalala ireny fa mbola ny olona akaiky indrindra ny filohan’io antoko io no nampiasaina hanakana ny fahatongavany eto Madagasikara tamin’ny sabotsy. Dia minoa ianao fa mbola ho avy ihany koa ny an’ny manaraka raha vao mitonona ho kandidà amin’ny fifidianana eo. Fa ho an’ny maro tahaka ny an’ity antoko ity mantsy dia ny fanendrena ihany sisa mety aminy hahazoana toerana fa efa atahorany mafy ny fitsaram-bahoaka amin’ny fifidianana.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.