Edito

Tahaka ny akoho ny Malagasy?


  • Zoma 27 Septambra 2019

Rehefa izy no misioka dia voromanga, fa rehefa ny hafa dia vorondolo ! Io no mamaritra ny fomba ny fihetsika asehon’ny mpitondra ankehitriny. Mora ny nanenjika, namotika, nandrava, nandoro,…

 

 

 rehefa nezahina nolotoina tamin’ny fomba rehetra ilay Filoha naongana 10 taona lasa izay. Nolazaina fa jadona, notondroina ho tia tena, nohenjehina ho mpanitsakitsaka lalàmpanorenena ka dia nopotehina tamin’ny alalan’ny ambara fa revolisionina goavana. Ny isam-batan’olona, indrindra fa ireo efa tonga saina tamin’izany fotoana dia afaka mijoro vavolombelona tsara hoe: nandroso sa nihemotra isika taorian’ireny mandrak’androany?  Ny Malagasy anefa mora manadino, hoy ilay Filoham-pirenena teo aloha iray, ka izay angamba no tsy hahafahantsika mandinika sy mamakafaka lalina hahafaha-mamaritra ny làlan-kizorana intsony. Lalaovina tanteraka ny saim-bahoaka amin’ny resaka kimoramora efa natao tamin’ny tetezamita. Sanatriavin’ny vava atao tahaka ny akoho. Samborina, hongotana ny volony, marary, mivoa-drà, mijaly,… dia alefa mandeha. Vao tsipazana fotsim-bary kely na katsaka, dia iny indray fa mihazakazaka manantona, tsy mahatsiaro ny fampijaliana natao azy, ary azo mora foana sy hatao amin’izay hitiavana azy. Mihabado, sahirana, maty noana ny vahoaka Malagasy ka toa manaiky lembenana amin’izay hanaovana azy vao tsipazana vary sy entana mora ao anaty propagandy. Mbola tsy tara anefa isika, raha izao no manokatra masom-panahy sy mahay mijery lavitra kokoa.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT