Na ny olona tsy dia maharaka firy ny raharaha politika aza dia mahatsikaritra izao fa ny SADC no tompon'ny teny farany amin'ny fanapahan-kevitra momba ny fananganana ireo rafitra tetezamita.
Hitam-poko hitam-pirenena izany tamin'ireo tranga rehetra tato anatin'ny andro vitsivitsy. Nihaona tamin'ny solontenan'ny Troika tany Pretoria mba hahafantarana marina ny fampiharana ilay sori-dalana ny vondrona politika. Tonga teto Antananarivo avy eo ireo iraka miaramila avy amin'ny SADC nanazava ny tokony hatao tamin'ny foloalindahy malagasy. Nosoniavin'ireo vondrona politika indray nony avy eo ny drafitra hampiharana ilay sori-dalana araka ny nieritreretan'ny SADC azy. Raha tonga ny fotoana hanoloran'ireo ankolafy politika samihafa ny anaran'ny praiminisitra dia mbola nisy indray ny fihaonana notarihan'ny masoivohon'i Afrika Atsimo eto amintsika teny Ankorondrano, izy moa no solontena vonjimaikan'ny SADC eto Madagasikara.
Ary farany teo, tamin'ny alarobia, raha tokony ho teny amin'ny lapam-panjakana Ambohitsorohitra no nanaterana ny anaran'ireo kandida ho praiminisitra dia niova tampoka ny toerana ka nafindra teny amin'ny Le Paon d'Or Maibahoaka, ary natrehan'ny ambasadaoron'i Afrika Atsimo, Mogheti Monaisa, nanatrika teo ihany koa ny masoivoho vahiny sasany ary na ny filohan'ny FAT Andry Rajoelina aza dia nivoaka ny Lapa ka nanatona ny besinimaro teny Maibahoaka ihany koa. Izay mandinika tsara izany tranga rehetra nifanesy teo izany dia mahatakatra avy hatrany fa eo am-pelatanan'ny SADC tanteraka, na andeha hatao hoe amin'ny ampahany betsaka, ny fahefana amin'ny fananganana ny tetezamita iaraha-mitantana sy ny famahana ny krizy eto Madagasikara, ary tena mandray anjara mavitrika ao anatin'izany i Afrika Atsimo izay filoha mitantana ny Troika, izany hoe ny SADC amin'izao fotoana. Efa dila lavitra ilay fotoana hoe diniky ny samy Malagasy, izay mibaribary be izao fa tsy nahavaha olana.
Atao ahoana moa fa dia izao no niafaran'ilay hoe hanova ho amin'ny tsara kokoa nodradradradraina tamin'ny 2009. Vao mainka mahazo vahana eto ny vahiny, na amin'ny lafiny ara-politika izany na ny ara-toekarena. Roboka tanteraka ao anatin'ny sangodim-panin'ny fianakaviambe iraisam-pirenena i Madagasikara ankehitriny ary tena lasa saribakoly fotsiny sisa ny filohan'ny FAT Andry Rajoelina. Hita teo amin'ny endriny teny Maibahoaka ny alarobia hariva teo fa tsy tompon'ny teny farany intsony izy, tsy afaka miala amin'izay nifanekena ao anaty sori-dalana ary mahatsiaro menatra ihany manoloana ireo olona notarihany nidina an-dalambe nanongam-panjakana, roa taona sy tapany lasa izay. Efa tsy arak'izay nifanarahana teny an-kianja ntsony mantsy no mitranga ankehitriny. Ilay SADC nanaovana eson-teny sy teny mahery sy noendrikendrehana fa miandany amin'ny filoha teo aloha no mandamina sy mibaiko ankehitriny. Mazava be ny resaka fa tsy manan-tsafidy hafa i Andry Rajoelina sy ny ekipany fa na manaiky na manda dia izay no vita !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.