Edito

Tabataba


  • Alatsinainy 12 Aprily 2010


Mafanafana ny tanàna. Mifamahofaho be ihany ny feo miely na iniana aely etsy sy eroa, nanomboka ny sabotsy teo. Nisy nikasa hamono ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Tsy marina izany, hoy ny mpitondra teniny. Misy mikasa ny haka ny Lapam-panjakana ao Ambohitsorohitra. Tsy nisy nandiso na nanamarina kosa indray ity vaovao ity. Ny nahoraka aza dia ny hoe ny nangalana ny fitaovam-piadiana tany amin’ny lietna kolonely Charles Andrianasoavina, hisorohana ny herisetra. Ny feo mandeha koa dia nasaina niverina andakazerina eny Fort Duchesne nanomboka omaly ireo olon’ny Hery vonjitaitran’ny zandary tany amin’ny FIS sy tany amin’ny olon’ny HAT. Ny nisy koa dia ny fivoriana tetsy sy taroa, na dia tsy nisy resaka nipika aza. Mety ho avy amin’izany rehetra izany angamba no nanamafisana ny fiarovana teny Antaninarenina, ka tsy azo nolalovana toy ny isan’andro ny manoloana ny lapan’Ambohitsorohitra raha ny omaly. Foana tamin’ny ora farany hatramin’ny dinika saika hataon’i Andry Rajoelina tamin’ny mpanao gazety izay tokony ho nalefa tamin’ny haino amanjerim-panjakana omaly hariva tamin’ny valo ora, na dia efa natao laza masaka hatramin’ny sabotsy aza izany. Mbola baraingo koa ny amin’ny hahatanterahan’ilay lanonam-pitsarana hametrahana ny filoha vaovaon’ny Filankevi-panjakana sy ny fihaonan’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny foloalindahy sy ny filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita hatao anio rehefa tsy raikitra omaly, handinihana indrindra ny amin’ny sata repoblikanina sy ny fifanajana. Mitranga izany rehetra izany taorian’ny nanesorana tamin’ny toerany ny Minisitry ny fiarovam-pirenena, ny jeneraly Rakotonandrasana Noël sy ny nampakarana ho amin’ny gradin’ny jeneraly ny Praiminisitra lehiben’ny govenemantan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, Camille Vital. Tabataba no niafaran’ny fifandonam-bera mariky ny fifamelana sy firaisankinan’ny foloalindahy natao teny amin’ny Foibe fandraisana fivoriana iraisam-pirenena teny Ivato, ny foloalindahy izay malaza ho mangina hatrizay. Hatraiza io tabataba io ? Tabataba atosiky ny maha tandroka aron’ny vozona ny foloalindahy sa tabataba hiarovana tombontsoan’antokon’olom-bitsy ? 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT