Edito

Surprise !


  • Alarobia 04 Jolay 2012

Hanomboka tsy ho ela ny fanamboarana ny tempolin’ny rugby eny Andohatapenaka. Izay no “Surprise” nanokafan’i Andry Rajoelina ny masom-panahin’ireo tanora mandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy amin’ny taranja rugby, tonga tao an-dapa omaly handray fandrisika taminy.

 Ny sabotsy 28 mey 2011, raha avy namonjy santabary tany Antanetimboahangy, Kaominina Analavory, Faritra Itasy i Andry Rajoelina no efa nampanantena ny mpitia lavalava io tempolin’ny rugby io raha nivantana teo amin’ny kianja Malacam, vao avy nasiam-panamboarana tamin’izay. “Surprise” tokoa raha nifoha tampoka avy any indray ilay fampanantenana ! Fa tena “surprise” koa ho an’ireo tanora nampanantenaina kianja sentetika sy dobo filomanosana olimpika, nefa mandrak’ity ny anio tsy nanomboka ny asa. Miandry vasoka ny ao Amoron’i Mania. Ny Gaonan’Alaotra aza moa efa tamin’ny septambra 2009 no nampanantenana kianja sentetika mba tsy hilalao amin’ny vovoka intsony, kanefa indrisy. “Surprise” !

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT