Edito

Sonegaly nahazo baiko !


  • Alatsinainy 30 Janoary 2012

Misavorovoro ny any Sénégal, iray volana mialoha ny fifidianana filoham-pirenena, tokony hotanterahana ny 26 febroary ho avy izao.

 Neken’ny filankevitra ambony momba ny lalàmpanorenana ny zoma hariva lasa teo ny filatsahan-kofidian’ny filoha amperin’asa Abdoulaye Wade, hanampy ireo kandida 13 hafa, raha toa ka nolavina kosa ny an’ilay mpihira malaza Youssoundour. Niteraka korontana sy fidinana an-dalambe avy hatrany io fanapahan-kevitra io. Nisy ny fanimban-javatra, fanaovana sakana, mazava ho azy fa tsy maintsy nisy koa ny naratra sy voasambotra. Milaza ny tsy hipetra-potsiny ny mpanohitra any Sénégal fa hanohy hatramin’ny farany ny tolona. Amin’izy ireo mantsy dia tsy tokony ho kandida intsony ingahy Wade, satria efa 12 taona be izao no nitantanany ny firenena, ary nanova ny lalàmpanorenana izy mba hahafahany mirotsaka hofidiana fanintelony indray. Izy rahateo efa 85 taona ankehitriny, izany hoe efa tena voky taona ka tokony hipetraka amin’ny maha raiamandreny azy, fa tsy hikiry hitantana ny firenena intsony.

Niantso ny rehetra mba ho tony sy hilamina moa i Abdoulaye Wade ny sabotsy lasa teo, saingy kely ihany ny finoana ny amin’ny hanarahan’ny mpanohitra izany. Ireto farany aza dia mieritreritra mihitsy ny hanao dia be hihazo ny lapam-panjakana ho fanehoana ny tsy fankasitrahana ity filoha ity. Ny mpanara-baovao politika aty amin’ny kontinanta afrikanina dia manahy fa ho lasa tahaka an’i Cote d’Ivoire i Sénégal raha toa ka tsy mahay mandamina ity raharaha ity ny fitondram-panjakana. Tsy mbola propagandy akory no misy dia efa izao sahady ny korontana hita etsy sy eroa, ary raha mivoaka ny voka-pifidianana dia ho avy indray ny fifandroritana eo amin’ireo kandida nifaninana, satria mety samy hilaza izy ireo fa naharesy.

Tranga efa fahita aty Afrika ny tahaka izany. Ny mahagaga fotsiny dia firenena noeritreretina fa efa mba mandroso sy lasa lavitra amin’ny resaka demokrasia sy fanaovana politika i Sénégal, kinanjo mitovy amin’ny rehetra aty afrika ihany. Tsy mahalala onona ny mpitondra, miova rehefa tonga eo amin’ny fitondrana ary te hijanona eo mandra-pahafatiny. Azo antoka ihany koa fa ao ambadiky ny filoha Wade ny Frantsay, izay mikaroka ny fomba rehetra hametrahany ny olony aty Afrika, manoloana ny hetsika ara-toekarena goavana ataon’ny Sinoa sy ny Amerikanina. Tsy matanjaka sy tsy manam-bola be, tahaka ireo firenena roa goavana ireo i Frantsa ka noho izany dia tsy maintsy mampiasa hafetsena hahafahany mahazo tombontsoa aty Afrika amin’ny alalan’ny fanambatambazana, na fanerena an-kolaka ireo mpitondra hiaro ny tombontsoany. Maro no mahita fa tsy mety amin’i Frantsa raha olon-kafa ankoatra an’i Abdoulaye Wade, no mitantana an’i Sénégal, satria, hono, tena Sonegaly nahazo baiko io rangahy io. Tsara homarihana ihany koa fa teratany Frantsay no vadin’ny filoha Wade.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT