Solom-bava mihinana

Solom-bava mihinana ny an’ny vahoaka izany aloha hatreto no mbola tena misongadina


  • Alarobia 27 Novambra 2024

eny anivon’ny antenimieram-pirenena eny rehefa iverenana jerena ireo volavolan-dalàna tena

nisongadina efa nolanian’ireo olom-boafidy ho tonga amin’ny toerana maha solombavambahoaka azy ireo farany teo. Iny izao ny trosabe mitentina 293,5 miliara Ariary, izay raha fehezina izany ny antony nindramana azy dia hampandehanana ilay raharaham-pirenena mihitsy satria ny lafiny toekarena sy ny angovo no tena misongadina ao anatin’izay. Inona no antony naha lany ny paiso an-kady nefa efa tsy tetezamita intsony isika izao fa efa anaty repoblika mbola lazaina fa vaovao mihitsy? Efa samy namaly sy nanazava moa ny mpanao politika hafa sy mpamakafaka ary nanome ohatra mikasika ny kianja Barea nandaniana 77 tapitrisa Dolara nefa tsy nanara-penitra akory, ohatra. Ny an’ny olona nandaniana 40 tapitrisa Dolara indray aza no nahazo fankatoavana iraisampirenena. Ny teleferika izay mikatso nefa an-tapitrisa Euro koa no lany taminy ao anatin’izany. Dia io izany handeha ny famoahana 600 tapitrisa Ariary hifantoka amin’ny resaka vary safiotra izay ambara ho antoky ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Izay irery tokoa ve no antoky ny fandesena ny hanohanana mitarazoka na tsy fampian-tsakafo mitarazoka mahazo ny sarambaben’ny gasy ankehitriny sy ny kere any atsimo? Miafara amin’ny trosa amina miliara Dolara nefa mbola mampilentika hatramin’izao anaty fahantrana ve no antsoina hoe fahaiza-mitantana sy hoe mandroso na tsy maintsy mandroso? Hananganan’ireo lazaina fa solombavambahoaka tanana hatrany moa nefa izany rehetra izany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT