Mifanandrify indrindra amin’ny vanim-potoan’ny fanadinana no niakatra ny vidin’ny solika.
Nisantatra ny fampankarana ny Total ka nitombo 100 Ar ny lasantsy raha 50 Ar kosa ny gazoala. Milaza ny hanapitra ny tahiriny ireo mpandraharaha hafa dia hampiakatra ny vidin-tsolika koa, araka ny angom-baovao natao. Omaly ihany dia efa nampiaka-peo ny mpitatitra fa hakariny koa, hono, ny saran-dalana. Raha izay anefa no mitranga dia hisondro-bidy avokoa ireo entana ilaina amin’ny andavanandro, dia mitarika fiakaran’ny vidim-piainana avy hatrany. Araka ny tsiliantsofina re dia toa hoe efa tamin’ny volana jona no tokony ho niakatra ny vidin-tsolika saingy noho ny don-tandroka nataon’ny fitondrana tetezamita dia tsy natao aloha, fa izao vao hotanterahana. Ny mahalasa saina kely fotsiny amin’ity raharaha ity dia ny hoe nifanandrify mihitsy tamin’ny andro nivoahan’ny fehin-kevitry ny SADC momba ny famahana ny krizy eto Madagasikara no nampiakaran’ny Total ny vidin-tsolika.
Misy amin’ireo mpanara-baovao politika no manahy fa sao lahy ka mba misy ambadika politika ity resaka ity. Tsy azo adinoina fa orinasa Frantsay ny Total, ny Frantsay izay efa tsy miafina intsony manohana an’i Andry Rajoelina. Rehefa tena nodinihana mantsy ny fanapahan-kevitry ny SADC dia tahaka ny manome vahana an’i Marc Ravalomanana izany ary manery an-kolaka ny fitondrana tetezamita hanaiky ny fiverenany eto. Zava-dehibe loatra amin’ny fiainan’ny firenena ny resaka angovo, ary afaka ampiasaina hanaovana tsindry. Efa fahita any amina firenena maro izany ary mba mety mitranga eto amintsika ihany koa. Ny mampieritreritra koa dia ny hoe : tena nanapa-kevitra samirery ve ny Total sa mba nampandre ihany ny fitondrana tetezamita ? Ny fanjakana aza mantsy efa nanana eritreritra hoe hampidinina ny vidin’ny solika, kanefa dia ny mifanohitra amin’izay no mitranga izao.
Mipetraka ny fanontaniana, afaka hanery ny Total hampidina ny vidin-tsolika ve ny fitondrana tetezamita ? Ary ahoana no handresena lahatra ireo mpandraharaha telo hafa dia ny Galana, Jovenna ary Shell mba tsy hampiakatra ny vidin-tsolika ? Sarotra ny fanapahana ary tena saropady ny fanapahan-kevitra horaisina satria tena iankinan’ny ain’ny firenena sy ny fiainan’ny vahoaka. Raha toa mantsy ka tsy mahita marimaritra iraisana ny fanjakana sy ireo mpandraharaha amin’ny solika dia azo antoka fa hiakatra ny vidim-piainana, ary dia hitombo indray ny fitokonana etsy sy eroa. Dia hisavorovoro indray eto, dia ho moramora ho an’ny sasany avy eo no milaza fa tsy milamina ny tany ka tsy mety raha mody eto ingahy Ravalomanana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.