Edito

Sokina nanani-bato


  • Sabotsy 23 Desambra 2017

Karazam-biby misy eto Madagasikara ny sokina sy ny trandraka, izay rehefa mahatsiaro ny tenany ho misy manambana dia hatsangany ny tsilo mandrakotra ny vatany sady mamonkona ny vatany ho lasa boribory.


Raha arahi-maso ny ataon’ny fitondarana HVM dia tsy mifankaiza amin’ny ataon’ny sokina ny fihetsiny. Mody nosoloina ny manodidina ny filoha ka nahataka ireo mpanolotsaina mampiahiahy. Ireo lazaina fa akaiky an’i madama vadiny indrindra moa ireo voaresaka matetika ao anaty serasera. Naverina sy nantsoina ireo tapaka sy namana avy any andafy hanatevina ny ekipa hiatrika ny fifidianana 2018. Ny tena asa moa dia ny tetika hanalana sy handemena an’ireo adva (mpifaninana) henjana, anisan’izany Ravalomanana sy ny TIM ary Rajoelina sy ny MAPAR. Atao daholo ny antsonjay rehetra mba tsy ahafahan’izy roalahy ireo mirotsaka resahina ny tsy fahaloavan-ketra, ny didim-pitsarana, … izay mety azo hipetahana azy ireo dia atao resaka aloha, ny an-dRavalomanana moa dia efa nogiazana ny Tiko AAA satria ambara fa io orinasa io no tena fidiram-bolany, ny an-dRajoelina dia efa miala any ny fingampingana. Na dia mety ho atidoha avy any an-dafy aza no miketrika dia toa efa diska goaka ny zava-misy ankehitriny eo amin’ny sehatra politika. Tsy mba misy trimo (tigre) na liona eto Madagasikara fa ankoatra ny voalavo dia ny kary, alika ary sokina no biby fahita ety an-tanety koa ny fomba fiady an’ny sokina no ataon- dry zareo ao amin’ny fitondrana mody aevotra sy atsangana ny tsilo amin’ny filazana sy fihantsiana fa “matanjaka” nefa mivonkona satria efa matahotra fa manakaiky ny fifidianana. Saingy tapi-dalan-kaleha toa sokina nanani-bato ry zalahy ary ho any am-bilanin-dRamalagasy ihany no miafara ny trandraka.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT