Edito

Sokafy ny mason-tsaina amam-panahy


  • Alatsinainy 01 Oktobra 2018

Manomboka hiditra amin’ny tena lalao isika amin’ity fifidianana ity. Andro sisa isaina satria amin’ny herin’ny anio no hanomboka ny propagandy, ka dia hanao ny fara-fahaizany handresy lahatra ny olom-pirenena mpifidy ny kandida tsirairay avy, izay miisa 36.

 

 

Raha tarafina amin’ny isany aloha, dia tena maro izany ny tia tanindrazana sy te hitondra ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Andron’ny demokrasia rahateo izao, ka dia afaka nirotsaka avokoa tamin’ny ankampobeny ireo nahafeno ny fepetra notakiana, na teo ihany koa aza no tsy afa-po sy nahatsiaro ho nahilika. Porofo iray manamarina ihany koa anefa, fa maika sy dodona ny hahazo seza ny mpanao politika, ka tsy afaka ny tena mifandamina sy mifampihaino hoe sao dia azo atao ihany no manambatra hery, fa dia mba samy manao be hambo-po te ho lohany avokoa aloha aty am-boalohany. Misy tamin’ireo no efa nitondra ary ny zavatra nataon’ny tsirairay dia afaka hitsarana azy. Hirarakopana anefa ny teny mamy, fampanantenana hanao an’izatsy sy izaroa, ary raha toa milaza mihitsy ny sasany fa hataony paradisa kely ity Gasikara ity e! Moa va tsy teny mamy sy malefaka no nampijabahan’ny menarana an’i Eva tao amin’ny sahan’i Edena fahiny. Ny ratsy ihany koa dia azo haseho sy takonana amin’ny toe-javatra miendrika ho soa, fa ny Malagasy rehetra no mila manokatra no ny mason-tsainy sy ny masom-panahiny mba tsy ho sodokan’ny endrika ivelany sy ny totoafon-tserasera miampy fampanantenana poak’aty. Inoana fa mba efa maro no nahazo lesona tamin’ny zava-nisy na eo aza ny famotsiana ny efa mainty, toy ny hoe ny mpamotika sy mpandrava efa, toy ny voalavo, dia sarotra inoana fa ho mpanangana tampoka eo e!

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT