Soavaly tapa-kofehy!

Tapa-kofehy no ilazàna ny soavaly


  • Alatsinainy 03 Novambra 2025

rehefa afaka amin’ny fifehezana azy.

Mety ho fifehezan’ny tompony io. Mety ho fifehezan’izay nangalatra azy ihany koa. Soavaly tapa-kofehy! Midika izany hoe niala taminy ilay tady fitondràn’ny mpitaingina azy iny. Niala taminy koa izay nanelingelenana ny vatany rehetra. Ireo mpiompy sy mpikarakara soavaly moa no tena mahalala izay ary ohatra noraisina ihany idirana amin’ny hoe inona moa no tena tiana ihaviana ao anatin’izany rehetra izany manoloana izao fiainam-pirenena miditra anatina rivotra politika vaovao izao? Tsikaritra ho toy ny soavaly tapa-kofehy ankehitriny ny vahoaka malagasy tsy hanavahana, raha ny lafiny atao fahalalahana maneho hevitra no raisina. Tsy arakaraky ny nanasoketàn’ny sasany azy hoe fitondràna miaramila izany, ny resaka fitsipika na «discipline» no tena hibahan-toerana ao anatin’izay. Andrasana ihany tokoa izay, ary inona moa no maha ratsy an’izany, indrindra, manoloana izay toetsaina malagasy niara-nahatsikaritra tanaty taona maro fa niha goragora izay? Tena andrandraina amin’ny maha olompirenena vanona mihitsy tokoa aza ny mba hiverenan’ny atao hoe «discipline» izany andrindràna ny fiarahamonina eto amin’ity firenena ity ary inoana fa tsy hahasakana ny atao hoe fahalalahana miteny sy maneho hevitra ihany koa nefa izany! Soavaly tapa-kofehy amin’ny resaka fahalalahana isika ankehitriny, hoy ny efa voalaza teo, ary iaraha-mahita io fa na hitondra hevitra manao ahoana na ahoana, na hitaky inona na hitaky inona dia samy mahazo sehatra avokoa amin’izao fotoana izao na an-dalambe io na amin’ny haino vaky jery samihafa. Tsy misy mandrahona gagazo toy ny tamin’ny fitondràna vao avy niongana teo, hoy ny hirahiran’ny maro. Ao ny mitaky ny fialàn’ny ben’ny tanànan’Antananarivo. Ao ny mitaky tombontsoa sendikaly. Ao ny mitaky fanesorana filoham-pokontany na ben’ny tanàna any ambanivohitra samihafa any. Maro lafy ireo fitakiana heno etsy sy eroa sy fanehoan-kevitra ihany koa amin’izao fotoana izao saingy na izany na tsy izany, ny tena irariana, dia ny hoe mba ho soavaly tapa-kofehy koa isika malagasy amin’ny fahafaha-misitraka amin’izay ireo harem-pirenentsika hampandrosoana marina an’ity firenena ity!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT