Soa lavo hahay hamindra!

Soa lavo hahay hamindra! Soa kenda hahay hitsako!


  • Talata 29 Aogositra 2023

Oha-pitenenana Malagasy mirakitra soatoavina maro ireo, mitory hanatra lehibe eo amin’ny fitondran-tenan’ny zanak’olombelona.

Tsy misy olona tsy diso tokoa, tsy misy olona tonga lafatra, fa ny lesoka sy tsy fahombiazana na hadisoana nolalovana dia fanohitra lehibe ahafahana mitandrina sy misoroka amin’ny tsy hiverenan’izany intsony aoriana. Manan-kery foana io amin’ny zavatra rehetra na amin’ny politika, na amin’ny fitantantana firenena, na amin’ny safidim-bahoaka satria handalo fifidianana rahateo isika. Ny manahirana anefa, raha tarafina amin’ny politika, misy vondron’olona eto tsy mety manaiky diso izany mihitsy, tsy mba manarina ny tsy fahombiazana fa sanatria toa manao gisalahy mangala-ketsaka, ka ny efa manao ny tsy mety indray no mbola avo vava. Matetika no mitady izay fomba hanilihana ny tsy fahombiazana amin’ny hafa, fa tsy mipetraka ho tompon’andraikitra. Mbola mananontanina ny kopisoroka politika, ny tian-kano tsy tian-kano,… satria mamy ny seza, ka toa ny hambo-po diso toerana no entina hanaovana sorona firenena. Heverina fa mba efa ahafahan’ny Malagasy maka lesona anefa izay zava-nisy tao anatin’ny 15 na 20 taona latsaka izay. Akoho tsy naneno tahaka izay efa lanin’ny kary, ka irariana mba hifoha ny rehetra fa tsy sanatria ho tratry ny domy tapany handoa erany eo indray. Efa miainga any mantsy ny mena miraviravy hoentina mividy ny safidin’ny olona, mananontanina ny fandraviravizana zavatra tsy mahavita taona. Mba efa afo nandoro ny lamba kosa angamba izay fa fotoana izao tena hanokafana ny masom-panahy, fotoana izao tena hametrahana fahatongavan-tsaina ho an’ny daholobe na “conscience collective” araka ny fiteny vahiny. Raha izao zava-manjo ny firenena izao, raha io fahapotehana efa misy io,… no mbola hotohizana, dia asa izay hiafarantsika afaka 5 na 10 taona! Firenena irahamanana ity, tanindrazana iombonana, tsy afaka ny hiala eto ny ankamaroantsika, fa teto no niandohana ary eto no hiafarana. Tsy ny tanintsika no ratsy, fa ny fahafantarantsika sy ny fitantanantsika azy no mila hatsaraina. Fotoana izao ahafahana mametraka firaisankina sy fitiavan-tanindrazana tena izy mba ho soa iombonan’ny Malagasy!
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT