Edito

Soa fianatsa e !


  • Zoma 22 Jolay 2011

Hotanterahana ny 28 novambra ho avy izao ny fifidianana filoham-pirenena any RDC na Repoblika Demokratikan’i Congo, na Zaira teo aloha.

 Ny filoha am-perinasa Joseph Kabila sy ny mpitarika ny UDPS (Union Pour La Démocratie et Le Progrès Social) Atoa Étienne Tshisekedi no tena mpifanandrina amin’izany. Tantara lava be ny nitranga tany amin’ity firenena ity satria nifandimby tao ny fanjakana tsy refesi-mandidy, ny krizy ara-tsosialy goavana ary ny adim-poko. Nisy kosa anefa ny ady natrehana ary dia tonga ny fanovana, ny rain’ny filoha am-perinasa amin’izao fotoana no mpitari-tafika nanongana ny filoha tsy refesi-mandidy Mobutu Sese Seko, nitantana ity firenena ity nandritra ny 32 taona ary «Le Léopard de Kinshasa» no solonanarana nahafantarana azy taty Afrika, filoha tsy refesi-mandidy ary efa natao tahaka ny Andriamanitra kely mihitsy izy, ary matin’ny homamiadana tamin’ny 1997. Tantara tsy maintsy naverinna kely iny mba hampazava tsara ny resaka.

Ankehitriny efa niditra tanteraka amin’ny fiovana ity firenena ity ary na ny anarany aza dia novaina, tsy natao ho Zaire intsony fa nosoloina hoe Repoblika Demokratikan’i Congo. Tsy mora ny zava-nitranga tany, ary na ny filoha teo aloha Laurent-Désiré Kabila nitarika ny fanovana aza dia nisy namono ny 16 janoary 2001 ary dia izao ny zanany lahy izao no misolo azy. Azo ambara hoe anisan’ireo firenena tena nikorontana taty Afrika i RDC ary maro ny olona maty sy ny zavatra simba tany. Rehefa tena natao anefa ny fanovana ary nampahafantarina ny daholobe ny zava-misy dia azo atao hoe nandroso ity firenena ity ary tena nisy ny zavatra niova, singanina amin’ireny ny fahafantarana efa-bolana mialoha ny daty hanaovana ny fifidianana filoham-pirenena ary efa mba samy nihetsiketsika ireo ho kandida amin’izany. Misy CENI koa any RDC ary manao ny asany an-tsakany sy an-davany araka ny tokony ho izy sy ny ambaran’ny lalàna na dia misy ihany aza ny tsy fahatomombanana vitsivitsy. Ny zava-dehibe dia ny hoe milamina ny fanomanana ilay fifidianana ary tsy misy ny fitapitaka. Raha hiverina eto Madagasikara kosa dia hafahafa be ihany ny zava-misy.

Tsy mbola tena nitranga teto izany hoe ady an-trano na adim-poko na ady tamin’ny mpanani-bohitra, tahaka ny mpitranga tany Afrika izany. Ny mahagaga anefa, nahoana no ela ny Malagasy vao mahita vahaolana amin’ny krizy ? Tsotra ny valiny : samy miseho azy ho mahay ireo mpanao politika ary misora-tena ho Andriamanitra velona mihitsy ny sasany, ka izay teneniny ihany no marina. Milaza foana isika hoe tsy tahaka ny Afrikanina fa miavaka sy hendry ary mandala ny Fihavanana. Efa maro be anefa ankehitriny ireo firenena Afrikanina rotiky ny ady an-trano no mandroso sy lasa lavitra ary maharesy antsika amin’ny lafiny ara-toekarena. Ny nosy Kaomoro aza efa lasa any alohan’i Madagasikara ankehitriny satria raha 3000 Ar eo ho eo ny vidin’ny «euro» iray eto amintsika, dia tsy misy afa-tsy 256 amin’ny volan-dry zareo Kaomorianina izany. Tena mampieritreritra ary tokony hanaitra ny hampom-pon’ny tsirairay. Tsy vitan’ny resabe anie izy ity e ! Mila asa ! Tsy mijanona amin’ny fandrodanana ny fanovana fa asehoy amin’izay fa mahavita azy ianao ary mahavita tsara lavitra noho ilay iray teo aloha. Soa fianatsa e !
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT