Sisa tsy mety leo!

Samy mitokona, mihiakiaka, mitabataba,


  • Talata 23 Septambra 2025

manao fihetsiketsehana milaza fa leo

delestazy sy tsy fisian-drano daholo izao ny sehatra rehetra. Omaly, niaraha-nahita ny tranga teny Vontovorona. Tamin’ny herinandro ireo mpanolontsain’ny tanànan’Antananarivo sy ireo vahoakan’Arivonimamo notarihin’ny solombavambahoaka any an-toerana. Ny tambazotran-tserasera saika rakotr’izay fanehoan-kevitra mifono tsy fahafaliana noho ny zava-misy izay nambara foana fa eo an-dalàna ny fitadiavana vahaolana mahakasika azy, eny, ny vahaolana amin’izany mihitsy, kanefa dia ankehitriny, 16 taona aty aorian’ny nandraisan’ny fitondràna Rajoelina ny fahefàna, vao mainka mamaivay izay. Sisa tsy mety leo azy io izany izao, raha ny feo hita ho manohitra ny hetsika kasaina iombonana hitakiana ny tena famahana izany olan’ny delestazy sy ny manodidina azy izany, dia ny loholona iray fanta-daza sy ireo milaza ho mpanohana izao fitondràna izao sasantsasany. Tonga amin’ilay fitenenana hoe miara-komana tokoa ve ka tsy mahare vay maharary ny hafa? Efa azo ve ny seza ka izay indray aloha izao no mila arovana fa tsy ny tombontsoam-bahoaka na ny aim-bahoaka? Aiza ho aiza amin’ny delestazy naharitra ora 4 fahiny lasa adin’ny 10 ankehitriny tokoa moa izany no antsoina hoe vahaolana na lamina maty paika? Ahafahana hanodina orinasa madinika mila herinaratra ve ny jiron’akoho sy ny angovo avy amin’ny masoandro izay tsy mahazaka afa-tsy jiro sy onjapeo kely? Ahafahana mampiodina vata fampangatsiahana hitahirizana sakafo mila izany ve ireny, indrindra, ho an’ireo mpivarotra mila izany? Afaka mampiodina toerana fikirakiràna tekinolojia na «cybercafé» ve na fanaovana taovolo sy fanefena vy? Asakasak’ireo sisa tsy mety leo tokoa!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT