Sisa taraiky!

Na inona tokoa ambara, na inona fomba entina ilazàna azy


  • Zoma 25 Aprily 2025

dia Madagasikara no hany sisa taraiky, mbola manindraindra fatratra ny firenena frantsay

amin’izao fotoana izao! Ny ankamaroan’ireo firenena afrikanina efa babony fahiny dia efa somary mizotra any amin’ilay antsoina fialan’ny jiosy na koa hoe manilika tsikelikely izany Lafrantsa nilaza azy ho reny malala fahiny izany. Iaraha-mahita io ny afitsoky ny firenena alzerianina amin’izao fotoana izao. Toy izany koa ny zava-misy ao Burkina Faso. Ireny ny hafatry ny mpitondra kaomorianina ho an’ny firenena frantsay teo ambany mason’ny filohany mihitsy omaly. Madagasikara, amin’ny alalan’ny mpitondra azy sisa taraiky, hoy hatrany ny fomba fitenin’ny tanora azy izay! Raha atao jery todika tokoa hatreo amin’ny taona 1958, izay fotoana nanomezan’ny frantsay fahaleovantena ny firenena malagasy, no ho mankaty. Nitondra inona ho an’i Madagasikara tokoa moa ny fifikirana tamin’ny frantsay fa tsy fanoherana azy na teo aza ny fahasahiany nilaza tao amin’ny Nosy sambatra na Iles Glorieuses hoe «Ici c’est la France!» na koa hoe Frantsa eto? Mampiely ankehitriny ireo haino aman-jery frantsay samihafa fa voahozongozona ny fiandrianan’ny firenena frantsay, raha ny mikasika ireo nosy manodidina an’i Madagasikara no resahina. Nilaza iny ny fitondràna frantsay fa amin’ny 30 jona indray no fotoana raha mbola hiresaka izany nosy manodidina izany. Tsy nisy setriny na avy amin’ny fitondràm-panjakàna na avy amin’ny fanoherana izao fitondràna ny tany sy firenena malagasy ankehitriny izao fa dia samy izay fotsiny izany hoe izay izany. Sisa taraiky!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT