Sinema sa tsia ? Izay indray izao no lasa fanontaniana mikitikitika ny sain’ny maro rehefa misy ny trangan-javatra toa goavana be nefa tsy mampino fa hiseho aty amin’ny tany malaza ho vonton-gaboraraka toa antsika.
Mbola mametraka ny fisalasalany ny mpanara-baovao satria very an-javony ny raharaha nitranga tamin’ny fotoam-pianianan’ny filoham-pirenena tamin’ny 2013, toy izany koa ny mikasika ny raharaha niseho ny 26 jona tamin’ny taon-dasa. Nahagaga koa ny nahafahana loholona nanao hetsika tsy nahazo alalana vao herinandro mahery kely izay. Sao dia mba volena koa ary itony fitsaram-bahoaka miseho etsy sy eroa itony ary dia manao sinema mody milaza ireo tompon’andraikitra fa efa mandray ny andraikiny saingy mijanona hatreo amin’ny filazana ihany ? Efa maro ihany izay voalaza ho trondro vaventy tafaporitsaka any andafy izay rehefa hoe tsy salama taorian’ny didim-pitsarana. Navoaka ny hopitaly koa omaly ilay mpandraharaha vaventy iray ary dia nahafanina mihitsy ny nitady izay nalehany. Sinema indray ve ity indray mitoraka ity ?
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.