Edito

Sinema


  • Alakamisy 02 Aprily 2015

Lasa fotoam-bery fotsiny ny adihevitra natao manodidina ilay fahefan’ny ben’ny tanàna sy ireo lefiny eny amin’ny boriborintany ary ny fomba fanendrena azy ireo.

 

 

 Miverina tahaka ny teo aloha ny sata manokana momba an’Antananarivo, ary nahazo aina ery ny governemanta. Tsy niandry ela fa tonga dia nanaiky azy io teo anivon’ny filankevitry ny minisitra omaly hariva ihany. Hoy ny mpandinika ny raharaha politika hoe sao dia sinema sy fihetsiketsehana be fotsiny ary ireny natao rehetra ireny fa raha ny tena marina dia efa vita kajy miloha ny ho fiafaran’io resaka sata manokana io ! Ny fitondrana foibe ihany mantsy izao no hamaritra ny isan’ny boriborintany hapetraka eto an-drenivohitra. Fanapahan-kevitra raisina mandritra ny filankevitry ny minisitra io, tsy misy idiran’ny depiote sy ny parlemanta fa fahefam-panjakana araka ny fanapariaham-pahefana, hoy ny HCC omaly. Betsaka ny kajikajy politika mbola azo atao amin’izany ary inoana fa efa misy miketrika ny momba an’io any ho any.

RTT

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT